airtel

Actualités

27-oct-2025

Nividy piesy 3,3 miliara Ar

ho an’ny Jirama ny Fanjakana

Sample post image

Miezaka miaro ireo ambarany fa ezaka vitany ny DG Ron Weiss

27-oct-2025

Tonga ao amin’ny toby famokarana herinaratra etsy Ambohimanambola ireo fitaovana vaovao ilaina hanamboarana ny milina 3 simba amin’ireo 4 mpamokatra herinaratra. 10 andro no vinavinaina hanamboarana milina iray, ka rehefa vita tanteraka dia hiampy 20 MW ny famokarana hanampy amin’ny fampihenana ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo, araka ny fanazavan’ny teknisiana. Ireo “pièces” ilaina dia novidiana teto an-toerana, tsy nisy fanafarana avy any ivelany, mitentina 3,3 miliara ariary, araka ny fanazavan’ny Kolonely Rapanarivo, Filoha mpiara-mitantana ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika. Andaniny, sarotsarotra ny toeran’ny Tale Jeneralin’ny Jirama Ron Weiss eo anatrehan’ny tsikera sy ny fitakiana samihafa. Ity teratany Israelianina ity izay niteraka resabe ny karama rasiny. Miezaka manazava ity Tale Jeneralin’ny JIRAMA nanomboka tamin’ny Aprily 2024 ity, maneho fa misy ny ezaka nataony. Nampahatsiahy fa injeniera elektrika manana traikefa 30 taona mahery amin’ny fanarenana orinasam-panjakana. Tany Rwanda, teo anelanelan’ny 2017 sy 2023, hoy izy, dia nahavita nampitombo ny fisitrahana herinaratra avy amin’ny 35% ho 75% izy. Amin’ny alalan’ny vina mazava, firaisankina ary fikirizana, mino izy fa afaka mitranga eto Madagasikara izany fiovana izany. Eto Madagasikara, 36%-n’ny mponina ihany no misitraka herinaratra, ary tsy milamina ny tolotra. Mivarotra fatiantoka ny JIRAMA, ambony ny vidin’ny famokarana, ary lafo sy tsy maharitra ny tobim-pamokarana amin’ny solika. Eo koa ny tambazotra antitra izay miteraka fatiantoka lehibe: ampahatelon’ny angovo vokarina no very noho ny fahatapahan-jiro, hosoka ary faktiora tsy voaloa. Hatramin’ny nidirany, milaza izy fa nataony ho laharam-pahamehana ny ady amin’ireo tsy fahombiazana, izay miresaka fanatsarana lehibe hatramin’ny 2026. Tafiditra ao ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro sy bateria fitehirizana, fanamafisana tambazotra, ary fanavaozana tobim-pamokarana efa misy. Mahakasika ny rano, sarotra ny zava-misy nefa misy fanantenana. Misy toeram-pitrandrahana vaovao ao Amoronakona, fotodrafitr’asa compact any Mandroseza sy faritra ivelan’Antananarivo, ary fitrandrahana rano ambanin’ny tany ao Ampiriky sy Laniera. Mandra-pahavitany, mametraka kamiao mpitatitra rano sy sinben-drano ny JIRAMA. Manome toky i Weiss fa mijanona ho orinasam-bahoaka 100% ny JIRAMA. Vinany ny hanafoana ny fahatapahan-jiro, hampitombo ny fisitrahana jiro sy rano, hanangana rafitra mendrika sy maharitra. “Aoka tsy hijanona antsasa-dalana isika,” hoy i Weiss. Mbola matoky azy ve ny Malagasy ? Tena tsy misy manam-pahaizana Malagasy mahasolo azy ? Misy tsindrin’ny mpiara-miombon’antoka ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap