airtel

Actualités

11-mai-2022

Actualités

Nogadraina noho ny resaka facebook Nivoaka ny fonja omaly i Jeannot Randriamanana

Sample post image

Nivoaka omaly talata 10 mey rehefa naiditra am-ponja ny 10 martsa lasa teo Jeannot Randriamanana. Raha tsiahivina dia ity lehilahy iray no namoaka fanehoan-kevitra tamin’ny tambazotran-tserasera facebook mikasika ilay

11-mai-2022

zavatra voalaza fa tsy nandeha nataon’ny Fitondram-panjakana tany amin’ny faritra momba ny fizarana fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai. Nahazo fahafahana vonjy maika izy ary afaka namonjy ireo vady aman-janany sy ny fianakaviany soamantsara. Tsiahivina moa fa voaheloka hisazy roa taona an-tranomaizina i Jeannot Randriamanana nanomboka ny volana martsa lasa teo. Nafana anefa ny hetsika fitakiana nataon’ny vondrona mpiaro ny zon’olombelona sy antoko politika izay nitaky ny famotsorana sy famoahana azy faran’izay haingana ka izao izy navoaka izao. Amin’ireto farany mantsy dia tsy tokony hampirohoroana na tapenam-bava ny olona sahy milaza ny zava-misy marina tahaka ireny, tranga izay hahafahan’ny Fitondram-panjakana manitsy ny diany ihany koa ho tombontsoan’ny vahoaka.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity Jeannot Randriamanana sy ny mpisolovava azy
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap