airtel

Actualités

11-nov-2021

Actualités

Nosy Sainte Marie Frantsay roalahy tratra niditra an-tsokosoko

Sample post image

Teratany vahiny roalahy izay fantatra fa frantsay no niditra an-tsokosoko tany amin’ny distrikan’i Sainte Marie ny fiandohan’ny herinandro teo.

11-nov-2021

 Niaraka tamin’ny sambo antsoina hoe : diavolana izy ireo izay tsy nisy nahazo alalana. Raha tsiahivina anefa dia mila fahazoan-dalana ny hahafahana miditra eto amintsika hiarovana ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19. Voatery notazonina avy hatrany izy roalahy ireto manoloana izany no sady nogiazana ihany koa ilay sambo nentiny. Nahiboka avy hatrany izy ireo ho fiarovana ny fahasalamany raha tiliana akaiky ihany koa ny mikasika azy ireo sy ny tena anton-diany. Tsiahivina moa fa mateti-pitranga ny fidirana an-tsokosoko tahaka izao any amin’ireo Nosy kely tahaka ny nosy Sainte Marie misy eto amintsika.
Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap