airtel

Actualités

29-déc-2021

Actualités

Notorian’ny Depiote Rossy ? Ampanantsoin’ny Cybercriminalité i Jean Nirina anio

Sample post image

Nahazo taratasy fampiantsoina eny anivon'ny « service de lutte contre la cybercriminalité » etsy amin'ny Toby Ratsimandrava indray ny filohan'ny Hafari Malagasy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina rahampitso Alarobia 29 desambra 2021.

29-déc-2021

 Ambaran'ny taratasy fampiantsoina fa "noho ny resaka ahiahiana makasika raharaha Facebook" no antony nampanatsoina azy, ka hisy atao famotorana mikasika izany. Raha ny fampitam-baovao izay navoakan'ny pejy mitondra ny anaran’Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina dia depiote iray no nitory azy amin'izao raharaha izao. « Marihana etoana anefa fa Andriamatoa Rafanomezantsoa Jean Nirina dia tsy mikirakira Facebook ary na ny « téléphone » hapiasainy aza dia « téléphone foza », ary ny compte dia izahay serasera no mitondra azy, tsy mbola namaly na dia « commentaires » iray aza izahay, hita hoe halako bika tsy tiako tarehy ny fitoriana », hoy ny fanehoan-kevitra tao amin’io pejy mitondra ny anarany io. Vonona ny hamaly ny fiantsona azy kosa anefa Andriamatoa Rafanomezantsoa Jean Nirina raha ny fampitam-baovao navoakany hatrany. Tsy fantatra mazava moa hoe : iza no depiote no nitory azy ? Raha zohiana amin’ny tantara sy ny lonilony kosa, dia ny depiote voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-4 Rossy na Rahasimanana Paul Bert no tsikaritra ho tsy mifankahazo aminy. Nandritra ny fihaonana tamin’ny governemanta farany teo, ohatra, dia isan’ny fanamarihana sy antso avo nataon’ity depiote ity ny handraisana andraikaikitra amin’ireo karazana dokam-pitsaboana raha ambangovangony, ka isan’ny notsipihiny manokana ny hoe: “indrindra fa ity sektambra sektambra anareo ity”. Efa hatry ny ela ihany koa ny fifanakianana an-tambajotran-tserasera teo amin’ny roa tonta. Andrasana anefa izay tena marina momba ity raharaha ity hoe: olon-kafa sa io depiote io tokoa no nitory, fa ny tsy azo lavina dia misy ny lonilony eo amin’ny roa tonta, ary efa nifanome fantsy hatry ny ela, araka ny tenin’ny tanora.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Miitatra ny savorovoro eo anivon’ny Kaominina Antananarivo eo anatrehan’ny raharaha fampidiram-bola sy fitantanam-bola.

Card image cap
16-avril-2024

Betsaka ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha,

Card image cap
16-avril-2024

Ny vinavinan’ny fitomboan’ny mponina eto Madagasikara niainga tamin’ny RGPH-3 (Récencemant Général de la Population et de l’Habitation)

Card image cap
16-avril-2024

Mba hanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary, napetraka ny rafitra fifanakalozam-baovao

Card image cap
16-avril-2024

Tsy nitsahatra nanentana eo amin’ireo mpandraharaha hisitraka ny

Card image cap
16-avril-2024

Mafy ny manjo ireo fianakaviana manodidina ny 20 isa monina amina trano miisa 5 mipetraka

Card image cap