airtel

Actualités

11-janv-2021

Actualités

Ny Rado Rafalimanana « Nisy nanafika izahay ny alin’ny Krismasy »

Sample post image

« Androany alahady 10 janoary 2021 ny tenako vao hanambarana antsika fa ny

11-janv-2021

 

 

alin'ny andro Krisimasy teo dia nisy andian'olona tonga namono ho faty izahay mianakavy kely ary ny tenako no voa mafy tamin'izany. Mifona aminareo ny tenako fa tsy mba nampiseho anareo an`izany ary nataoko toy ny tsy nisy izany teto amin`ny Pejy, satria aleo ireo nahavanon-doza tsy hatao maharesy akory », hoy ny Ny Rado Rafalimanana omaly. Naratra ny tena, ka ny loha no tena voa mafy tamin'izany, satria vely famaky na zava-maranitra ka tataka 5 sm ny lohako, ary alakamisy 7 Janoary 2021 vao nivaly ny tsirika avy any Dubai fa tsy misy ahiana intsony ny fahasalamako sy ny indrindra ny loha, hoy izy. Amiko dia ny zava-dehibe dia ny naha maty fo aman’aina, eny « traumatisé » izahay, indrindra ny ankizy, kanefa izay aloha no nisy dia hatrehana, tsy tokony kivy isika, ary ny tenako dia mivohy ny Ny Fanahy Maha-Olona ka aleo Andriamanitra Andriananahary no mahalala ny tokony ataony an`izay nahavanon-doza sy ireo mety nampaniraka izany raha nisy izany, fa raha izaho Ny Rado Rafalimanana dia efa namela heloka, hoy izy. Nisaotra ny mpahary fa mbola nomeny tombon`Andro iainana izy mianakavy kely. Isaorako manokana koa ny Reniko Dr Patricia, Dr Rivo sy Dr Serge nanao ny Fitsaboana sy ny fanjariana rehetra nandritry izany. Efa ho 1ora sy 30 minitra ny fandidiana nataon’izy ireo tamiko. Isaorako ihany koa ny fokonolona teo an-toerana nisian`ilay tranga nanampy anay mianakavy kely, indrindra ilay Renim-pianakaviana niantso vonjy rehefa nidaraboka tamin`ny tany ny tenako ka tsy nahatsiaro tena rehefa vaky loha sy niosin-dra tanteraka”, hoy i Ny Rado Rafalimanana tao amin’ny tambajotran-tserasera.Anisan’ireo lohahevitra miteraka adihevitra be ao anaty tambajotran-tserasera ity raharaha Ny Rado Rafalimanana ity satria samy manana ny fomba fijeriny sy ny fandrraisana ilay vaovao ny tsirairay avy.Ny fanehoan-kevitra sy sary navoakan’i Ny Rado Rafalimanana taorian’io daty hoe nanafihana azy mianakavy io dia tsy mampino fa hoe olona avy nisy nanafika sy nidaroka teo amin’ny lohany izy, hoy ny sasany.Teo kosa ireo nilaza fa nahay niarin-doha haingana izy ka efa niverina tamin’ny fiainana andavanandro ary tsy tokony hifampitsaratsara fa izy aza efa mba voatafika.

 Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap