airtel

Actualités

04-juil-2022

Actualités

Ny Rado Rafalimanana “Tena feno ny kapoaka”

Sample post image

20 martsa 2019, nodoran'ny vahoakan'Antalaha ny Toby Jirama, hoy ny mpanao politika sy mpandraharaha, Ny Rado Rafalimanana.

04-juil-2022

3 taona aty aoriana dia mbola delestazy tsy misy vahaolana maharitra ny ao Antalaha sy manerana ny nosy, hoy izy. Handrasantsika ho tezitra indray ve izany ny vahoaka mpanjifa? Eny, ny vahoakan’Antalaha dia tena mponina hendry ary tena maro ny mampiana-janaka. Antalaha dia tanana madio sady mivoatra no manan-karena noho ny lavanila. Feno manam-pahaizana ny zanak’Antalaha. Ohatra velona tsotra dia ny ministry ny fitsarana ankehitriny dia avy Antalaha. Tananan-drafozana ka maha saropiaro ny tenako i Antalaha satria tanin-janaka. Ny olona tso-po tokoa rehefa hararaotina ka feno ny kapoaka dia mitroatra ka mivadika biby rehefa manoloana ny tsy rariny. Tsy mendrika ny famotehana fananana iombonana toy izao satria mandrora mitsilany isika. Diso manana ny rariny ireo vahoaka nanao izany. Tomponandraikitra feno tanteraka kosa ianareo mpitantana ny ministeran'ny angovo sy ny Jirama foibe. Ianareo no manao kobaka am-bava ny vahoaka amin’ny fampanantenana poakaty ataonareo amin’ny fandalovana vetivety amin’ireny toerana ireny. Ireo mpiasan’ny JIRAMA any amin'ny faritra no lasa halam-bahoaka sy mijaly tanteraka manoloana ny hatezeran’ny vahoaka mpanjifa. Malagasy manjifa sy mandoa ny saran’ny herinaratra ireo malagasy ireo kanefa ny delestazy any Antalaha dia misy fotoana andro maromaro fa tsy ora vitsy toy ny eto Antananarivo. Feno ny kapoaka. Tomponandraikitra feno ny minisitry ny Angovo, PCA JIRAMA, DG JIRAMA voalohany. Raha tena manana fahatsapan-tena na “honnêteté intellectuelle” ianareo 3 mirahalahy ireo ka tsy mahita vahaolana dia mametram-pialana tsy misy hatakandro. Aoka izay ilay manao kobaka am-bava ny fampanantenana tsy mitombina lavareny ataon’ny governemanta any anindrana any satria ianareo rehetra mandalo fotsiny rehefa mankany dia ireo mpiasan’ny fanjakana any amin’ny faritra no lasa ataon`ny vahoaka lasibatra noho ny kabary diso toerana ataonareo ihany. Io tsy mpiasan'ny JIRAMA ihany fa ny mpiasam-panjakana rehetra mihitsy, izay misolo toerana ny fanjakana. Mitodika aminareo mpiasan’ny Jirama koa ny tenako. Mijoroa ianareo milaza ny marina sy ny tsy mety ao amin'ny Jirama sy ny ataon'ireto mpitantana anareo ireto raha toa ka misy tsy mazava ao ary mitondra koa ianareo vahaolana mivantana amin'ny vahoaka mpanjifa raha toa ka tsy mihaino na tsy mahay mihaino anareo ireo mpitantanana anareo, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap
17-avril-2024

Tovovavy kely iray vao 16 taona monja niasa an-tranon’olona avy any ambanivohitra no fantatra

Card image cap
17-avril-2024

Ady vehivavy no namonoana olona tamin'ny fomba mahatsiravina tao Marovotsy Tsiareky Ambovombe ny alin'ny 14 Aprily 2024 tamin'ny 8 Ora Alina.

Card image cap
17-avril-2024

Hanampy tosika ara-bola amin’ny fiveloman’ny mpikambana ny biraon’ny Zanak’i Mahabako

Card image cap
17-avril-2024

Voararan’ny lalana ny mitazona zaza tsy ampy taona ao an-tokantrano ka zanak’olona na

Card image cap