airtel

Actualités

01-déc-2022

Actualités

Ny samy mpitondra no tsy mifanaraka Ny vahoaka no mizaka delestazy

Sample post image

Ity izany no tonga amin’ilay fanoharana hoe izy mivady no miady dia ny zanany no voatorotoro.

01-déc-2022

 Efa nahoraka hatramin’ny ela ny tsy fifandraisan’ny tadin-dokangan’ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo ankehitriny sy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, izay mpitondra tenin’ny governemanta hatramin’izao ihany koa. Hatramin’ny fotoana mbola naha tale jeneralin’ity minisitera misahana ny angovo sy ny akoran’afo ity lasa minisitra mitantana azy ankehitriny ity no efa saika nibahana ny adihevitra hatrany izany. Fanontaniana mipetraka hatramin’izao ny hoe efa niravina ve ny disadisa sa tsia? Milaza matetika ny minisitry ny angovo sy akoran’afo fa misy ny manao “sabotage” na misopatra ny orinasa Jirama. Iza no tena tian’ity minisitra ity ho tondroina amin’izany? Ireo olom-boafidy na mpitondra na tandapa mitaky ny fialany ankehitriny ve sa ilay minisitra efa nalaza ho nifanolana taminy an-taonany maro sa ireo tale sy mpitantana be dia notorian’ny sy misedra raharaham-pitsarana ankehitriny? Fehiny, ny samy mpitondra izany no tsy mifanaraka dia ny vahoaka hatrany no mizaka delestazy vinanian’ny filoham-pirenena malagasy fa mety mbola haharitra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2028.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap