airtel

Actualités

26-avril-2021

Actualités

OJM sy ny Firaisamonim-pirenena “Foano ny fanapahan-kevitra miendrika didy jadona”

Sample post image

“Foano ny fanapahan-kevitra mampanjaka firehan-kevitra tokana mirona mankany amin’ny didy jadona sy ny fanapenam-bava

26-avril-2021

 

 

 ireo izay manana hevitra hafa noho ny an’ny Fitondrana ny hamehana ara-pahasalamana”, hoy ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ny Firaisamonim-pirenena manoloana ilay didy iraisan'ny ministera (décision interministérielle) ny 22 aprily 2021 lasa teo izay mandrara ny fandehanan'ny fandaharana sy adi-hevitra politika, ara-toekarena sy sosialy amin'ny haino aman-jery. Vao maika izany tsy mampahomby ny ady amin’ny valanaretina Covid-19 no sady mandetika ny demokrasia, voahosihosy ny fahafahan'ny olom-pirenena maneho hevitra, mahazo vaovao sy ny fahafahan'ny haino aman-jery maneho hevitra malalaka sy mampahalala vaovao izay zo fototra izay voadidin'ny andininy faha-10 sy faha-11 n’ny lalàmpanorenena. Voafaritra ihany koa ao anatin'ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona (DUDH) And 18-19, izay nosoniavin’ny Firenena Malagasy, maneho fa manana zo hieritreritra sy handinika, ary manana zo hanana sy haneho ny heviny, tsy azo sakanana sy tohinina ny tsirairay…. Ny hamaroan’ny loharanom-baovao, ny soso-kevitra, ny fijery marolafy, ny tsikera ary ny ady hevitra no ahazoan’ny mpitondra, ny mpiantsehatra rehetra sy ny olom-pirenena mandray fanapahan-kevitra sy manova ny fihetsiny ho tompon’andraikitra kokoa amin’ny ady amin’ny valan’aretina Covid-19. Tsy azo ekena ho fitaovana atao ho fanampenam-bava sy sofina ka entina hamotehana ny demokrasia eto Madagasikara, hoy ny fanambarana.

MIANTSO FANAMELOHANA

Manentana ny olom-pirenena, ny sehatra tsy miankina, ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety, ny Sendika, ny Antoko-mpivavahana sy ny Fiangonana indrindra ny FFKM, ny Mpitarika ara-drazana, ny mpitarika sy Antoko Politika rehetra, ireo Andrim-panjakana miantsehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona sy ny tany tan-dalàna (CNIDH, HCDDED), ny Andrim-panjakana mpitsara, ny Andrim-panjakana mpanao lalàna, ny sehatra sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ny mpiaro ny zon’olombelona (HCDH, Amnesty International, CIVICUS, Frontline Defenders, Reporters Sans Frontières, hatrany amin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena handray andraikitra sy hanameloka tsy misy hatakandro ity fanapahan-kevitra mamoafady ity izahay, hoy ny Firaisamonim-pirenena sy ny Holafitry ny mpanao gazety.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap