airtel

Actualités

05-oct-2021

Actualités

Olan’ny asa fanaovan-gazety Mila fifampidinihana fa tsy vitan’ny mokon-doha fotsiny

Sample post image

Raha ny zavatra hita sy tsapa hatry ny omaly aloha dia semban-drahona ny asa fanaovan-gazety mba tsy ilazana hoe misavorovoro.rakitra ny fanambarana etsy sy eroa ary efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo io dia nitohy omaly

05-oct-2021

.Ny fahafantarana ny lisitra tokana hofidiana biraon’ny holafitry ny manao gazety eto Madagasikara (OJM) no tena nampitselatra ny zava-drehetra.Lisitra tokana, tarihan’ny tompon’andraikitry ny faampahalalam-baovao ao amin’ny Radio Nasionaly (RNM).Izay efa mazava tsara fa eo ambany fiahian’ny ministeran’ny serasera.Milaza fa hanao an-tsakany sy andavany ny asany sy hamerina ny hasina sy toeran’ny asa fanaovan-gazety ny lisitra Tarihan’i Monica RNM.Aoka tsy hifamitaka kosa hoy ny cellule de crise ivondronan’ireo mpanao gazety tsy manaiky ny tsindry bokotra sy letrezana tadiavin’ny ministera hatao ; tsy kilalaon-jaza na sanatria fananan’olon-tokana ny asa fanaovan-gazety fa fiainam-pirenena, ary andry iray lehibe amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra eto amin’ny firenena.Manomboka mitombo isa ireo mpanao gazety sy fikambanana mpanao gazety mahatsaa fa tsy mety ilay kimaimaika fa sao dia tokony hidinika sy hifanakalo hevitra tsara aloha.Tsapa ihany anefa fa maika sy dodona ny ankilany satria, angamba maika hanendry olona ho ao amin’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, dia atao fotsiny izay hahalany biraon’ny OJM na iza tsy faly na iza tezitra.Tsy hampilamin-javatra izany ary tena hampikorontana ; ilaina ny fifampiresahana raha hanao fampihavanana mihitsy aza tsy misy olana, raha ny hevitry ny ankamaroan’ny mpanao gazety fa tsy tokony atao ady saritaka tahaka izao ity sehhatra iray ity.Ny tsy fantatra mazava hatreto dia ny hoe : ahoana marina ny hevitry ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy izay mahafantatra tsara ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety satria izy dia anisan’ireo nitolona ho amin’ny fanajana ny hasin’ny mpanao gazety sy ny fanajana ny fahafahana maneho hevitra saingy rehefa nahazo toerana izay moa toa manadino ny fahiny ary tsy mahatadidy intsony ireo fomba fanao tsy nety nahasolafaka ny teo aloha.Tsy mbola tara raha miverin-dalana.
RTT
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Trano manodidina ny 5 isa, ahitana fianakaviana 20 samihafa no fantatra fa misy

Card image cap
15-avril-2024

Nanontany ahy ny fiadidiana ny fananan-tany na «domaine» hoe ahoana ny mahakasika ilay

Card image cap
12-avril-2024

Tsaboina ao amin'ny CHRR Maintirano ny zazavavy kely iray niharan'ny fanolanana,

Card image cap
12-avril-2024

Tsy matoky io fitondrana mpanao amboletra io izahay, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika.

Card image cap
12-avril-2024

Niakatra fitsarana omaly Alakamisy 11 Aprily raha ny loharanom-baovao azo ilay raharaha

Card image cap