airtel

Actualités

19-janv-2022

Actualités

Olan’ny kitapom-bolam-panjakana Orinasa tsy miankina 400 no hanentsina ny banga ?

Sample post image

Orinasa tsy miankina 400 no tadiavin'ny fitondrana hanentsina ny banga amin'ny volam-panjakana, araka ny fanehoan-kevitr’i Patrick Raharimanana omaly.

19-janv-2022

Tsy ampy any amin'ny 400 miliara ariary any ny vola niditra tamin'ny hetra tamin'ny teti-bola taon-dasa izay noho ny Covid-19 sy ny fitontongan'ny toe-karena, ka naha kely ny hetra sy vola niditra tamin'ny fanjakana. Ny vahaolana hitan'ny fitondrana izany dia ny haka izay banga izay amin'ireo orinasa lehibe eto Madagasikara, ka dia mandeha avokoa ny "redressement fiscal" sy ny fomba maro rehetra. Ny orinasa lehibe iray mpanamboatra zava-pisotro eto an-toerana fotsiny no kasaina hakana 15 miliara ariary, ny mpivarotra amin'ny tsena lehibe, grande surface, mpivarotra PPN, mpanafatra simenitra sy vy ary kojakoja fiara, hoy hatrany i Patrick Raharimanana. Nambarany fa rehefa nisy nanontaniana moa izy ireo, dia nilaza fa tsy hiasa fatiantoka, fa dia izay alain'ny fitondrana tsy ara-drariny aminy dia ampidiriny ho masokarena, ka dia hiditra amin'ny vidin'ny amarotana azy amin'ny mpanjifa.Ireo tompon'ny orinasa hafa kosa nilaza, fa anakatona ny orinasany rehefa tsy zaka intsony ny antsonjay ataon'ny fitondrana. Fitondrana tokony anampy azy ireo hampiroborobo ny toe-karena sy hamorona asa, nefa lasa fitondrana dinta, mitsetsitra ny kely mitsipozipozy, hoy io fanehoan-kevitra sy vaovao ara-toekarena nataon’I Patrick Raharimanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap