airtel

Actualités

05-juil-2021

Actualités

Olan’ny paositra Malagasy Mbola misokatra ho an’ny rehetra ny fifampidinihana

Sample post image

Manoloana ny fitakiana ataon’ny paositra Malagasy ankehitriny vokatry ny hoe misy ny fikasan’ny minisitera hanao fanavaozana ny sata mifehy ny paositra Malagasy,

05-juil-2021

 

hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny paositra, Ranesa Firiana, dia misy ny ahiahy na tsy fahazoan-dresaka mipetraka eo amin’ireo mpiasa. Mbola tsy misy andinin-dalàna na fanapahan-kevitra efa tapaka momba ny fanavaozana ny paositra Malagasy, hoy izy. Eo am-pandinihina ny zavatra. Misy fifandresen-dahatra sy fifanakalozan-kevitra atao. Ao anatin’izay no mety misy feo mivoaka na fandikana vilana mahatonga ny mpiasa manao fitokonana. Tsara ny manamarika fa ny fampidirana ny paositra Malagasy ao anatin’ny sehatry ny ara-dalana no tanjona amin’izao fotoana izao satria raha ohatra hoe orinasam-panjakana efa naharitra an-taonany maro ny paositra Malagasy dia nisy fanavaozana ny lalana teto amin’ny tany sy firenena. Mipetraka ny hoe tokony ho “établissement publique industriel et commercial” na « établissement publique administratif » no karazana rafi-panjakana. Mametraka koa anefa ny lalana hoe mety azo atao ny mamorona karazana rafi-panjakana na « établissement publique » hafa. Ny zava-misy dia mbola tsy ao anatin’ny sokajy apetraky ny lalana ny paositra malagasy satria mbola anatin’ilay hoe « établissement publique postal » no lalana mifehy azy. Ao anatin’ny fanavaozana sy fidirana amin’ny tontolon’ny nomerika sy fanatsarana, noho izany, dia izay no irosoan’ny minisitera sy hifampidinihany amin’ny mpiasan’ny paositra malagasy sy ny tomponandraikitra rehetra. Mbola misokatra ho an’ny rehetra ny varavarana mikasika izay fifampidinihana izay, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap