airtel

Actualités

30-août-2021

Actualités

Olan’ny QMM sy ireo vondron’olona- Taolagnaro Hatsangana ny sampan-draharaha manokana hamahana azy

Sample post image

Nidina ifotony nandamina ny disadisa niverimberina tsy nety voavaha hatramin’ny 2005-2009, 2013-2018 teo amin’ny orinasam-pitrandrahana QMM

30-août-2021

 sy ny Vondron'olona voakasiky ny tetikasa ny tenanay ny herinandro teo, hoy ny tatitry ny tale misahana ny fitarainana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, Richardson Rakotomanana, ny sabotsy teo. Tsy mora ny nandamina ny olana satria samy nanana ny marina narovany sy ny tombotsoa nantenainy ny QMM sy ny Vondron'olona maro, hoy izy. Efa be no nataon'ny Manam-pahefana tany an-toerana sy ny Ministera sy ny Olom-boafidy tamin’ny fandaminana hatram'izay fa niverimberina foana ilay olana. Noho ny fitarainan'ny vahoaka taty amin’ny “Bureau de Doléances” dia niezaka nifampidinika tamin’ireo manam-pahefana ao an-toerana rehetra tany ny tenanay ka niezaka nandresy lahatra ny andaniny sy ny ankilany ho amin’ny marimaritra iraisana na "solution négociée" mba tsy hisian'ny gidragidra eo amin’ny QMM sy ireo mpamboly mitambatra intsony. Tapaka fa hajoro ny sampan-draharaha manokana na “Guichet unique” eo anivon'ny QMM handray ny olana sy ny vahaolana rehetra. Hapetraka ny “Dialogue permanent” na fifanakalozan-kevitra maharitra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Hisy fifanarahana miharo fandaharan’asa na “Contrat-programme” vaovao ho entina mampandroso ny fiharian-karena eo amin’ny vahoaka sy ny fampandrosoana ara-tsosialy. Hajoro ny “Commission de suivi et de coordination” na sampana fanaraha-maso izany ifarimbonan'ny manam-pahefana ao an-toerana rehetra sy ireo Solontena mahefa eo ambany fiahian'ny Governora. Raha noheverina ho sarotra ny toe-draharaha noho ny olana tsy voavaha hatramin’ny taona 2005 dia ny zoma sy sabotsy 20 sy 21 aogositra ihany izany dia nilamina, hoy hatrany ny tatitra nataony.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap