airtel

Actualités

03-juin-2022

Actualités

Olona manjavona sy misy mibata Fampihorohoroana saim-bahoaka miharo bizina…

Sample post image

Mirarakompana ny resaka fanjavonana ankizy sy tanora vao erotrerony, izay misy manao fampilazana any anatin’ny tambazotran-tserasera. Herinandro teo izay no nisy ilay tranga iray niteraka resabe mikasika ilay

03-juin-2022

 tovovavy antsoina hoe Sarah, izay tsy hita andro maromaro. Voalaza fa nisy nanary teny Ambohimiandra tamin’ny heriny anio, ka fiara tsy mataho-dàlana miloko mainty no nandatsaka azy teny, raha ny resaka niely. Voalaza fa tsy nahatsiaro tena tamin’ny fotoana nahitana azy, ary nanaraka fitsaboana. Hatreto, tsy nisy tohiny sy fanazavana ofisialy intsony ny mikasika ny tena nahazo azy. Taorian’iny, tsy latsaky ny 5 ny antso fifanomezan-tànana momba ny fanjavonana olona, ka isan’izany ny tovolahy iray antsoina hoe Tolotra niala tao an-tranony tetsy Ampefiloha ny 24 may harira, tovovavy iray ihany koa no voalaza fa tsy hita nanomboka ny 27 mey 2022 teo teny Antanety Atsimo Ambohimanarina, olona mianaka izay renim-pianankaviana sy ny zanany nanomboka ny 29 may teo, tovovavy iray voalaza fa nandeha nianatra maraina niditra tamin’ny 7ora ihany koa mbola tsy nody hatramin’ny 9ora sy sasany alina hoy ny antso avo ny alarobia teo,… ary omaly tamin’ny iray ora tolakandro latsaka no niparitaka ihany koa ny vaovao momba ny tsy fahitana tovovavy iray, araka ny antso avo nataon’ny zokiny. Avy nanao fisoratana anarana teny amin'ny ITTI. Ora vitsy taorian’izay, nisy nanary teny amin'ny 67Ha eny amin'ny Vatobe. Raha ny fitantaran’ny zokin’ny lasibatra dia nisy nanindrona ary nisy naka ra ny tànany. Voalaza fa tsy nahatsiaro saina, ary raiki-tahotra tanteraka, nentina teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana. Minisitry ny filaminam-bahoaka Randrianarison Fanomezantsoa omaly izay naneho, fa “sarotra ny tsy hikorontan-tsaina, saingy miantso fitoniana. Raha misy vaovao, aoka tsy hisalasala mihitsy hanantona ny Biraon’ny Polisy”, hoy izy. Toa misy endrika itoviany ny tranga, toy ny filazan’ny olona fa fiara tsy mataho-dàlana miloko mainty no isan’ny misambotra olona. “…tena naha zendana ahy loatra ny zava-niseho tamiko omaly tokony ho tamin’ny 06ora hariva tany ho any. Nisy fiara 4×4 Toyota Fortuner miloko mainty laharana 35.....WWT takona ilay laharana faharoa amin’io laharana io no nijanona teo amin’ny arrêt bus teo Antanimena avy dia nanantona ahy ramatoa iray nilaza fa mitady ny zanany, avy eo niditra tao amin’ilay fiara izy. 10minitra taorian’io nisy lehilahy 2 nivoaka avy tao ary nanantona arrêt bus dia kelikelin' iny tonga dia nisintona ahy sy nibata saingy namaly mafy moa aho ka ny iray voatifitry ny totondriko teo amin’ny tendany dia niondrika, ilay fiara kosa tonga dia nanantona anay ary nirifatra nitondra an'izy roa lahy avy eo,… Rehefa lasa nirifatra ilay fiara vao samy taitra avokoa ny rehetra nanatri- maso teo.”, hoy ny ampahan’ny fitantaran’ny lehilahy antsoina hoe: Faniry Randriamaheninarivo tao amin’ny tambazotran-tserasera.
AMBADIKA AVO LENTA ?
Tsy tongatonga ho azy fa tombanana ho misy ambadika hafahafa izao toe-javatra izao. Halatra zaza varira, halatra voamaso, ary izao indray tonga hatramin’ny an-kibata olona. Tombanana ho bizina maloto, mety ho resaka herisetra ara-nofo,… fa ahiana ihany koa ny fanakorontanana saim-bahoaka. Mety ho ambadika hoentina mitarika ny sain’ny olona any amin’ny tranga hafahafa tsy hifantoka amin’ny toe-draharaha momba ny fiainam-pirenena, sosialy, toekarena,…Mety tsy mifanalavitra amin’izao trangam-piarahamonina hafahafaizao ihany koa ny resa-bola satria tsy sarotra ny mino fa miasa maina ireo mpibata olona sy mpaka an-keriny, eny fa na dia tsy mitaky vola takalon’aina aza. Azo sokajiana ho toe-javatra avo lenta, ary misy ambadika goavana ao anatin’izao toe-javatra miseho samihafa izao. Andrasana ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana eo anatrehan’izao tranga mampihorohoro sy mampihoron-koditra samihafa izao.

Natao prélèvement i Randrianatoandro Mariolle na fantatra amin’ny hoe Mayah ilay zazavavy 21 taona nisy naka an-keriny ary hita teny amin’ny 67 ha omaly.
Lasa ao anaty phase d’inconscience na tsy mahatsiaro tena izy ka antony hanaovana ny fitiliana sy fanadihadiana ny fahasalamany hoy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, izay tonga teny amin’ny hopitaly omaly hariva. Tranga tsy mbola nisy mihitsy ihany koa izao ka antony nidinany teny ifotony nijery ny zava-misy.

Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap