airtel

Actualités

21-mars-2022

Actualités

Olona matin’ny ranotrambo tany Isalo Horaisin’ny ministera an-tanana ny fampodiana ireo razana

Sample post image

Noraisin’ny Ministeran’ny fizahantany an-tanana ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’ireo teratany Malagasy namoy ny ainy vokatry ny ranotrambo nandalo tampoka tao Isalo tamin’ny faran’ny herinnadro teo ka nahafatesana

21-mars-2022

 olona miisa 5. Ny Masoivohon’ny Frantsa kosa no hisahana ny fikarakarana ireo tera-tany frantsay, hoy hatrany ny vaovao. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny zoma lasa teo tamin'ny 1ora sasany no tratran'ny ranotrambo teny am-pitsidihana ny circuit Namaza izy 6 mianaka. Mpivady Frantsay sy Malagasy sy ny zanany vao herintaona mahery ny telo. Ny renin'ilay vehivavy sy ny anadahiny ary ilay mpisera dia kosa ny iray. Tsara ny andro ny maraina fa avy tampoka ny orana nony hariva hoy hatrany ny vaovao ; izay no niteraka ny ranotrambo tampoka ka nitarika ny loza. Hisy moa ny fifanatonana eo amin’ireo rafitra misahana ny fizahantany eto amintsika amin’ity herinandro ity (ministera, ONTM, ORT, MNP, CTM, FNG, ANG) hahafahana mandinika sy mametraka ireo fepetra rehetra tsy maintsy ampiharina mba hisorohana ny loza tahaka izao. Tao amin’ny tranom-pokonolona Ranohira no nandrasana ny razana.
Nangonin’i Pati

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap