airtel

Actualités

27-juin-2022

Actualités

Olona nitsabo ireo nisy naka an-keriny Nomena tohana sy fanampiana tampotampoka teo

Sample post image

Velom-panontaniana ankehitriny ny mpanara-baovao mikasika antony nanolorana fanomezana ho an’ireo mpitsabo nitsabo ireo nisy naka an-keriny nanakoako teto amin’ny firenena tao ho ao.

27-juin-2022

 Ankizy vavy maherin’ny 10 isa, raha ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny minisiteran’ny mponina ny faran’ny herinandro teo, no niharan’ny herisetra ara-batana sy saina tamin’ny alalan’ny fakana an-keriny ka rehefa afaka tamin’izany dia notsaboina tao amin’ny CHU-JRA Ampefiloha. 15 ka hatramin’ny 29 taona izy ireo, hoy ny fanamarihana. Efa tafavoaka ny toeram-pitsaboana kosa izy ireo ankehitriny. Ho fankaherezana ireo mpitsabo nandray an-tanana ireo vehivavy niharan’ny herisetra ireo dia nanolotra fankasitrahana manokana ho azy ny minisitry ny mponina, Soafilira Princia. Izany fanomezana izany dia nahitana vary, menaka, savony, paty, ronono, akoho. Lamba firakotra kosa no natolotra ireo marary ao amin’ny hopitaly. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe fanomezana izy ity sa fanapenam-bava ? Sa inona no antony manokana, raha ny fitadidiana mantsy dia sambany ny hoe nisy mpiasan’ny fahasalamana nitsabo olona natao hoe niharan’ny herisetra nahazo fanomezana avy amin’ny ministeran’ny mponina.Hafa indray raha hoe ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no nanao hetsika manokana; mbola resaka hafa ihany koa raha hoe anaty vanim-potoana nampamaivay ny asa tahaka ny tamin’ny fiatrehana ny Coronavirus. Fa ity indray mitoraka ity dia tena hoe : ny tovovavy no nisy naka an-keriny dia ny dokotera no mahazo fanomezana.Hafa mihitsy a !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap