airtel

Actualités

08-sept-2022

Actualités

OLONA VARIRA Tsy eken’ny Rainy niteraka azy ho zanany ny 80%

Sample post image

Maro ny olona sedrain’ireny olona varira ireny. Ankoatra ireo fangalaran-jaza izay mihatra amin’izy ireny mantsy ary

08-sept-2022

hakan’ireo tsy mataho-tody ny masony dia fantatra ihany koa fa saika voahilika hatrany izy ireny eny anivon’ny fiaraha-monina. Vao tonga ety an-tany mantsy ny 80%-n’izy ireny dia tsy eken’ny Ray niteraka azy ho zanany noho ny lokon’ny fihodirany. Rehefa any an-tsekoly indray izy ireny dia manana olana amin’ny maso satria tsy mahita lavitra. Voatery mipetraka eny amin’ny laharana voalohany hatrany araka izany izy ireo ka matetika toratorahan’ny ankizy amin’ny taratasy avy any aoriana, sy mahazo eson-teny ary fanarabirabiana isan-karazany. Rehefa mitombo indray ireo ankizy varira dia mihamarefo. Misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny hoditr’izy ireny mantsy ny herin’ny masoandro izay ilana fiarovana mandrakariva. Na izany aza anefa dia maro ihany ireo olona varira tafavoaka amin’ny fiainana ary manampy ireo olona toa azy. Vonona hanampy azy ireo ny fondation Siteny. Fantatra fa hanokatra kaonty ho an’ny fikambanana izy ireo hahafahan’ireo malala-tanana manampy azy ireny. Toraka izany koa ny fampianarana ny mpiara-belona mba tsy hanilika na hanao tsinontsinona azy ireny.
Nangonin’i Pati
Legende : Noraisin’ny fondation Siteny omaly ny fikambanana hivondronan’ireo olona varira eto amintsika
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap