airtel

Actualités

21-sept-2022

Actualités

ONG C FOR C Manamafy ny fiaraha-miasany amin’ny mpanao gazety

Sample post image

Nanao tombana sy fanaraha-maso ny fiofanana nomeny ireo mpanao gazety am-polony eto Antananarivo renivohitra omaly ny tetikasa Sahala, ao anatin’ny Ong C for C.

21-sept-2022

Tetsy amin’ny hotel le Vannier Andavamamba no nanatanterahany izany. Nozaraina vondrona isanisany ireo mpanao gazety. Nampanoratina lahatsoratra momba ny herisetra izy ireo nandritra izany ka anisan’ny nojerena tamin’izany ny fahaizan’ireo mpanao gazety manala ireo karazana hevi-draikitra eny anivon’ny fiaraha-monina. Anisan’izany ny hoe : fanaka malemy ny vehivavy, ny lehilahy ihany no tena manana hery sy tanjaka….Tsy latsa-danja tamin’izany ny fitazanana ny fomba fampitam-baovao izay tsy mitanila fa manaja tanteraka ilay mahalahy sy mahavavy. Tanjona kendrena ao anatin’izao fanomezana fiofanana ny mpanao gazety izao moa raha araka ny fanazavan-dRangitarimanana Nirina Odette , anisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny tetikasa Sahala ny hahatonga ilay vaovao havoaka tsy handratra olona na koa hanohintohina ny hafa. Mety hiteraka korontana eny anivon’ny fiaraha-monina mantsy izany ka manjary sakana tsy hahafahana mampandroso ny firenena. Tsiahivina moa fa efa naharitra herin-taona eo ho eo izay ity fiofanana nomen’ny ONG C for C ny mpanao gazety eto Antananarivo ity ary mbola hitohy hatrany.
Pati
Legende : Ireo mpanao gazety niatrika ny fiofanana omaly
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap