airtel

Actualités

10-juin-2021

Actualités

« Opérateurs téléphoniques » Mahatofoka vahoaka tanteraka

Sample post image

Andrasan’ny maro ny ho valin’ny fanadihadiana parlemantera momba ireo « opérateurs téléphoniques »

10-juin-2021

 

 

 eto amintsika izay mety ny 80% amin’ny mpanjifa no velon-taraina, saingy tsy afa-nanoatra hatramin’izay. Mimenomenona ny ankamaroan’ny olona, ka zava-dehibe ny fahatongavan’ny feo any amin’ny andrim-panjakana mpisolo vava ny vahoaka, fahefam-panjakana isan’ny manana ny maha izy azy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Raikitra ny tsindry bokotra ataon’ireo orinasa ara-tserasera amin’ny finday ireo, ary tonga dia any am-bovonana satria ny Praiminisitra, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Minisitry ny paositra,… no nandefasana ny taratasy, saingy fanambarana diso no natolotra azy ireo, hoy ny Depiote Mamangy Norbert. Hanao ahoana ny ho fihetsiky ny Praiminisitra sy ny Filohan’ny Antenimiera ary ny Minisitry ny Paositra fa ny parlemanta aloha dia nilaza fa hanohy ny fanadihadiana? Saika hahenoana lesoka sy fitarainana ny ankamaroan’ny tolotra : fahana manjavona tampoka ao anaty finday, ny tolotra « internet » na tolotra sosialy samihafa vetivety dia manjavona, ny halatra mivantana na ankolaka, toa ireny « rénouvelement automatique » ny tolotra hoe androany ianao nanao tolotra iray, ka raha misy ambina fahana ao dia avadiky ny tambajotra ho tolotra na tsy nangataka izany aza ilay mpanjifa. Izay tsy maharaka ny pitsopitsony, dia tratran’io. Ny saran’ny antso lafo dia lafo ary maro ny mpanjifa no manamarika fa maro loatra ny halatra. Raha atao kajy ambany hoe 600 000 isa ny mpanjifa mampiasa “puces” avy amin’ireo “opérateurs” misy ka hangalarana 200Ar mivantana na ankolaka isaky ny iray isan’andro, dia efa 120 000 000Ar izany no very amin’ny mpanjifa makany amin’izy ireo.

 

MAIKA HIVAROTRA FA NY TOLOTRA TSY MANJARY

Manampy trotraka ny olana, tsy mahafa-po ny tolotra tolotra « internet » na tolotra ho an’ireo « réseaux sociaux » toy ny facebook. Eto Antananarivo izay Renivohitr’i Madagasikara ve dia tokony hanana olana amin’ny resaka « réseaux » ? Mety ho olana ny resaka « fréquence ». Ny toerana nametrahana ny «émetteurs» sy ny relais (emplacement) mba voadinika sy mifanaraka amin’ilay toe-tany ve ? Ny fitaovana ampiasaina, ny fikojakojana,… moa maharaka ny isan'ny mpanjifa ve izy io sa mainka fotsiny hahazo mpanjifa fa ny fitaovana tsy misy fiovana ? Zary lasa fomba fitenin’ny olona ny « Mi-ram be », « dokotra be »,…ny “connexion”. Sahy manonona ny anaran’ireny tambajotra ireny mihitsy ny mpanjifa. Toa maika hivarotra fotsiny dia foronona daholo izao tolotra rehetra izao, mipoapoaka ny dokam-barotra any amin’ny haino aman-jery, kanefa rehefa tena mandeha ilay tolotra mikatso sy tsy araka ny andrasan’ny mpanjifa. Mila jeren’ny Fanjakana akaiky satria tena mampikolay ny vahoaka. Hanova zavatra ve ny fanadihadiana ataon’ny parlemanta? Hiandry fanehoam-pahatezerana mahery vaika ve vao ho taitra ireo « opérateurs » ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap