airtel

Actualités

17-août-2021

Actualités

“Opérateurs téléphoniques” mampikolay Aiza ho aiza ilay fanadihadiana ny Parlemantera ?

Sample post image

Ny fiandohan’ny volana jona no nilaza fa nanangana vaomiera manokana hanao fanadihadiana ireo orinasa miantsoroka ny tambazotra ara-tserasera na “opérateurs téléphoniques”

17-août-2021

 miisa telo eto Madagasikara Antenimieram-pirenena. Anton’izany ny tolotra izay tena mampikolay ny vahoaka. Mbola mampijaly io hatramin’izao ka miandry ny rehetra hoe : aiza ho aiza ilay fanadihadiana parlemantera amin’izao fotoana izao. “Maro be ny fitarainana voarain’ny solombavambahoaka, ka antony nananganana ny fanadihadiana parlemantera, ny depiote mifanerasera mivantana ny vahoaka, dia mahita ny fitarainana sy ny fimenomenonan’ny mpanjifa. Fahana ampidirina androany alina, tsy hita ny maraina. Ny mpanjifa mitaraina fa tsy mangaraharaha ny vidin’ny “forfaits”. Mba aiza ho aiza ihany koa ny fampidiram-bolan’ireo orinasan-tserasera amin’ny kitapombolam-panjakana?”, hoy ny Solombavambahoaka Mamangy Norbert tamin’ny 8 jona. Nahitsy io depiote io tamin’izany naneho, fa asan’izy ireo tanteraka izany, vonona ny Parlemanta hanao fanadihadiana. Teo anatrehan’io, tsy faly ny orinasan-tserasera, ka nandefa taratasy tany amin’ny Praiminisitra, Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Minisitry ny paositra, ny ARTEC. Nambaran’ny depiote Mamangy Norbert kosa fa fanambarana diso io aminy, ka nilazany fa tsy hihemotra eo anatrehan’ny tsindry ny antenimieram-pirenena. Telo volana mahery aty aoriana, miandrandra ny hivoahan’ny tohin’ny fanadihadiana parlemantera ny mpanjifa, ary maniry mba ahafahan’ny solombavambahoaka manao tsindry, mba hiteraka fihatsarana any amin’ny tolotra sitrahan’ny vahoaka satria tsy takona hafenina ny lesoka sy ny zavatra tsy mazava. Ny doka sy ny karazana tolotra mitombo, fa ny tambajotra tena miha mikoroso fahana andro aman’alina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap