airtel

Actualités

27-avril-2022

Actualités

ORA-MIKIJA TAO TOLIARA 5 naratra nianjeran’ny hazo, 1 namoy ny ainy

Sample post image

Marobe ireo hazo lehibe mianjera amin’izao ao an-tampon-tananan’i Toliara. Toraka izany koa ireo tafo manidina ireo andrin-jiro mianjera vokatry ny rivo-mahery entin’ilay rivo-doza Jasmine izay fantatra fa hiditra an-tanety any amin’ny

27-avril-2022

faritra Atsimo Andrefana rahampitso Alakamisy. Vokany, tafakatra 6 sagady ireo olona lasibatra ka iray no namoy ny ainy. Raha araka ny fantatra dia hazo lehibe no nianjera tamin’ity farany ka voatsindry tsy afa-nihetsika tao izy. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa moa ireo ambiny. Mikasika ny toetr’andro eto an-drenivohitra manokana dia fantatra fa hiditra tanteraka ao anatin’ny volon’andro ririna isika manomboka rahampitso Alakamisy. Sady hisy herika izany no hisy rivo-mahery mbola vokatry ny fidiran’ilay rivo-doza Jasmine an-tanety rahampitso ihany rah any tombana. Tokony samy hiomana amin’ny fitafiana mifanaraka amin’izay avokoa araka izany ny rehetra ho fitandroana ny fahasalamana.
Pati
Legende : Ireto ireo oona naratra tao Toliara !
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap