Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy mitsaha-mihena ny tahirin-drano ao Andekaleka ka tsy mahasahana ny filan’ny herinaratra ilain’ny mponina eto amin’ny tambajotran’Antananarivo intsony. Ho afaka hisitraka izany orana artifisialy izany ihany koa ny ao Tsiazompaniry hahafahana mameno ny vokatra amin’ny ora mampitombo ny filana toy ny amin’ny hariva sy maraina. Voatery manapaka ny jiro ora iray isaky ny faritra isan’andro moa ny orinasa JIRAMA amin’izao vokatr’izay tsy fahampian’ny rano hahafahana mamatsy herinaratra eto amin’ny tambazotran’Antananarivo izay. Tsiahivina moa fa na ampy ny rano na tsia dia efa zary fiainan’ny mponina eto Antananarivo ny delestazy ka tokony hitadiavana vahaolana maharitra mihitsy.
Pati
Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.
Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009
Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny
Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay
Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,
Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,