airtel

Actualités

01-avril-2022

Actualités

Orinasa JIRAMA Milaza fa hamaha olana ireo tompon’andraikitra vaovao

Sample post image

Ainga vao ho an’ny orinasa JIRAMA ny fanendrena ireo mpitantana vaovao rehetra. Natolotry ny Tale Jeneraly, notronon'ny Filohan'ny filankevim-pitantanana sy ireo mpikambana rehetra ao aminy,

01-avril-2022

tamin’ny fomba ofisialy, omaly , ireo mpikambana miisa 56 anatin’ny rafitra mpanatanteraka eo anivon’ity orinasa ity.Hiompana amin’ny fanarenana sy ny fampandrosoana ny orinasa izay mifototra amin’ny fahombiazana ny andinindinin’ny andraikitra omena ireo rehetra voatendry ireo.« Mba ho olon’ny vahaolana fa tsy olon’ny olana indrindra fa ny ady amin’ny delestazy izy ireo. Ka tena hitondra fanavaozana sy fampiroboroboana ny orinasa ny fandraisana andraikitry ny tsirairay ». hoy ny tale jeneraly.Raha oharina tamin’ny rafitra teo aloha dia nahena ho antsasa-manila ny isan’ny an-tanatohatra amin’ity rafitra vaovao ity, ary nohamafisina ireo andraikitra amin’ny lafiny famokarana sy kalitaon’ny tolotra ho an’ny mpanjifa.
Legende : Ireo mpikambana ao amin’ny rafitra mpanatanteraka eo anivon’ny JIRAMA
Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap