airtel

Actualités

18-nov-2021

Actualités

Orinasa Orange Madagascar Manatsara ny tolotra ho an’Antsirabe

Sample post image

Nanome toky fa hiara-dàlana hatrany amin’ny tanàn-dehiben’Antsirabe sy ny faritra amin’ny fampandrosoana ireo fotondrafitrasa ara-pifandraisan-davitra na “telecommunications”

18-nov-2021

 ny Orange Madagascar, ka hametrahana izany hositrahan’ny mponina sy ireo mpandraharaha ara-toekarena ao an-toerana ireo fitaovana rehetra hanatanterahana izany”, hoy I Frédéric Debord izay nitarika ny delegasionin’io Orinasan-tserasera io nihaona sy nitafa tamin’ny mpanjifany ao Antsirabe nanomboka ny talata 16 novambra teo. Nosafidiana I Antsirabe noho ny maha tanàn-dehibe manana anjara toerana ara-indostrialy sy ara-toekarena azy, toy ny hoe mamokatra ny 80% amin’ny vokatra azo avy amin’ny fanodinana ronono eto Madagasikara,… Mitombo ihany koa ny filàna ara-tserasera. Nandritra ny fitsidihana ireo manam-pahefana samihafa ao an-toerana sy ireo solontenan’ny mpandraharaha no nanangonana ireo fangatahana sy nandrosoana soso-kevitra momba ny serasera izay ahafahan’izy ireo mampivoatra ny fandraharahany sy ny asany. Nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo manam-pahefahana sy mpandraharaha ara-toekarena ireo tao amin’ny Arotel ny 16 novambra lasa teo, fotoana nampahafantarana ihany koa ny tolotra « Internet très haut débit Wifiber ». Isan’ny tolotra nambara fa tena mety sy azon’ny orinasa sitrahana avy hatrany ny « Wifiber Pro ». Tolotra internet haingam-piasa “haut debit illimité”, ary misy tambajotrana antso sy “sms” tafiditra ao anatiny. Naneho ireo tolotra sy vahaolana haingana amin’ny alalan’ireo vokatra mampiavaka azy ihany koa, toy ny orange money, izay manafaingana ny resaka fikirakirana vola amin’ny alalan’ny « Mobile money », izay ahafahana misitraka sy manjifa ny tolotra, mandoa faktiora, mividy zavatra, ary isan’ny tena miavaka ny « mkajy » izay tolotra momba ny fitahirizina. Nahafahana nandray ny hetahetan’ireo ho mpanjifa vaovaon’ny orange ihany koa io fihaonana io, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap