airtel

Actualités

09-mars-2021

Actualités

Orinasa-randrana sendikaly Miantso ny fanjakana mba hanasonia ilay fifanarahana iraisam-pirenena

Sample post image

Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy ny randrana sendikaly usam omaly,

09-mars-2021

 

 

 

notarihin’ny sekretera jeneralny rtoa mbola nomena. fanentanana tao anaty fiara nanomboka teny amin’ny 67 ha hatreny amin’ny fasan’ny karana sy zone forello tanjombato no nentin’izy ireo nanamarihana izany ho famporisihina ny vehivavy hiditra ao anaty sendika. raha araka ny fanazavany omaly mantsy dia mbola betsaka ireo vehivavy eny anivon’ny orinasa no tsy mahalala akory ny zony. asa mitovy izao ihany ohatra no hatao hoy izy nefa samihafa ny karama. mila mahafantatra izany ny vehivavy hoy hatrany rtoa mbola nomena. nomarihiny moa fa miandry fatratra ny hanasoniavan’ny fitondram-panjakana ilay fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa laharana 190 izy ireo. miantso ireo mpiara-miombon’antoka aminy ihany koa ny randrana sendikaly mba hifanome tanana aminy amin’ny fanatanterahana izany. nomarihin’izy ireo moa na mpiasa an-trano aza dia afaka miditra ao anatin’ny sendika. misy hatrany ny fiofanana omen’izy ireo isaky ny andro sabotsy maraina sy hariva ary ny alahady hariva ho fanampiana ireo sokajin’olona ireny.

Pati

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap
17-avril-2024

Tovovavy kely iray vao 16 taona monja niasa an-tranon’olona avy any ambanivohitra no fantatra

Card image cap
17-avril-2024

Ady vehivavy no namonoana olona tamin'ny fomba mahatsiravina tao Marovotsy Tsiareky Ambovombe ny alin'ny 14 Aprily 2024 tamin'ny 8 Ora Alina.

Card image cap
17-avril-2024

Hanampy tosika ara-bola amin’ny fiveloman’ny mpikambana ny biraon’ny Zanak’i Mahabako

Card image cap
17-avril-2024

Voararan’ny lalana ny mitazona zaza tsy ampy taona ao an-tokantrano ka zanak’olona na

Card image cap