airtel

Actualités

22-juil-2021

Actualités

Orinasa Ravinala Airports Nanome fitaovana ho an’ny “Pompiers” ao Fianarantsoa

Sample post image

Nanolotra fanampiana ara-pitaovana ho an’ny Mpamonjy voina na ny « Pompiers » ao amin’ny Kaominina Fianarantsoa Ambonivohitra tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraliny Atoa Patrick Collard sy ny Tale QHSSSEMR

22-juil-2021

 Rtoa Felana Ratsimbazafy ny Orinasa Ravinala Airports izay miantsoroka ny fitantanana ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato sy Nosy Be. Fanamiana no natolotra, ka nandray sy nanatrika izany ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa Rtoa Sahondramalala Ratsimbazafy. Fanampiana avy amin’ny Fondation Groupe ADP soloin’ny Ravinala Airports tena sady fiaraha-miombon’antoka amin’ny mpamonjy voinan’ny ADP sy ny Aviation Sans Frontières izy io. Tsy sambany amin’ny amin’ny asa sy fifanomezan-tànana ary ny firaisan-kiana no notanterahina. Efa nisy ny fanolorana fanamiana ho an’ny sampan mpamonjy voina teto Antananarivo sy Nosy Be, raha ny fanamarihana sy fampahatsiahivana nataon’ny Ravinala Airports. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia fanamiana miisa 367 piesy ahitana “vestes, parkas, swets, t-shirt sy polos ahafaha-mihatrika firehetana, shorts ary pataloha” no nositrahan’ny Sampan-draharaha mpamonjy voina ho an’I Fianarantsoa manokana. Tafiditra ao anatin’ny finiavana ary anjara biriky hoentin’ny Ravinala Airports amin’ny lafiny sosialy io hetsika natao io. “Mametraka fanamby maharitra mba ho eo anilan’ny vahoaka Malagasy hatrany izahay. Ny asa hanehoana firaisan-kiana ataonay, dia tsy voafetra eo amin’ny tontolon’ny seranam-piaramanidina izay tantananay ihany fa tena mivelatra amin’I Madagasikara manontolo”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Ravinala Airports nandritra ny lanonam-panolorana ireo fanampiana. Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap