airtel

Actualités

07-janv-2021

Actualités

« Panneaux publicitaires » tsy ara-dalàna Nanome fe-potoana hatramin’ny 31 janoary ny CUA

Sample post image

Miroso amin’ny fijerena manokana sy ny fanadiovana ireo « Panneaux publicitaires » na takelaka dokam-

07-janv-2021

 

barotra manerana ny tanàna izao ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, raha ny fanazavana avy eo anivon’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo. Efa midina manara-maso eny an-toerana ny sampan-draharahan’ny “Urbanisme”. Miantso ireo mpisehatra rehetra ao anatin’izany, na Mpametaka (régisseurs) io na tompon’ny dokam-barotra (annonceurs), mba handray ireo fepetra rehetra iverenana amin’ny ara-dalàna, hoy ny antso. Manana hatramin’ny 31 janoary 2020 izy ireo hanatanterahana izany. Misy ny rohy anaty tambazotran-tserasera azo tsidihana ijerena ny lisitr’ireo takelaka dokam-barotra. Ao aorianan’ny fe-potoana dia ho entitra ny Kaominina amin’ny fanasaziana amin’ny alalan’ny lamandy sy ny fanesorana ireo « panneau » ary ny fiantohana ny lany rehetra amin’izany. Ampahatsiahivina fa ny Tompon’ny dokam-barotra sy ny mpametaka dia miara-tompon’antoka amin’ny fanatanterahana ny sazy, hoy hatrany ny CUA.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap