airtel

Actualités

15-juil-2022

Actualités

Paompin-drano fisotro madio Horakofana ireo Fokontany 9 ao Antehiroka

Sample post image

Horakofana paompin-drano fisotro madio avokoa ireo Fokontany miisa 9 mandrafitra ny kaominina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo.

15-juil-2022

Tokantrano navondrona tsifolofolo ahitana olona manodidina ny 250 no efa nahazo tombontsoa hatreto raha miisa 25 ireo paompin-drano natsangana. Tsy mihoatra ny 200 metatra miala ny tokantrano no ahitana ireo pampin-drano ireo, mba tsy handehanan’ny olona matsaka lavitrabe. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina Ambohibao Antehiroka sy ry zareo avy any Londres no angady nananana sy vy nahitana izany, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Atoa Lalaina Vatosoa Arthur. Efa fotoana vitsy no nanombohan’ity tetikasa ity ka tonga nanara-maso izany ireo mpamatsy vola ary fantatra fa mbola hotohizana any amin’ny tanana tapany avaratra izany. Anisan’ireny ny Fokontany Amboaroy, Ambohijanahary, Antalamihoatra, Ankadivory ary Antsakambahiny. Tanjona moa ny handrakofana rano fisotro madio ny tanana rehetra ao Ambohibao Antehiroka, hanalana ny olona amin’ny tsakarano mandeha dia an-tongotra lavitra, indrindra fa ho an’ireo kilonga madinika.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ny paompin-drano fisotro madio omaly
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap