airtel

Actualités

01-juil-2021

Actualités

Paositra Malagasy Antaninarenina “Noroahin’ny mpiasa ny minisitra”

Sample post image

Tsy manaiky ny fizarana ny paositra ho orinasa 3 samihafa ny mpiasan’ny paositra Malagasy ka nitokona teo an-tokontanin’ity orinasam-panjakana ity tetsy Antaninarenina omaly.

01-juil-2021

Tsy navelan’izy ireo niditra ny birao fiasany ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary haitao ara-kajy Mirindra (MPTDN) Ramaherijaona Andriahamanohisoa omaly, nirindrina tanteraka ny varavarana, ndana ianao r’ingahy minisitra mody aloha ! Miala any fa mpanao didy jadona ! Miverena mianatra aloha ! santionan’ny horakoraka nandroaka minisitra teny Antaninarenina omalyy izany.
Hamono ny orinasa
Vao miha mamono ny orinasa izany fanapahan-kevitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra izany, hoy ireo sendikan’ny mpiasa. Tsy ekena ny fitsabahan’ny minisitra amin’ny fitantananana ny paositra Malagasy, hoy hatrany ireo mpiasa maro be nitokona teny Antaninarenina omaly.Nampatsiahy izy ireo fa napetraky ny lalàna hoe manana « autonomie de gestion » ny paositra Malagasy koa tsy ekena ny fanovana izany sata izany.Tsy ekena ihany koa , hoy izy ireo ny famindrana ny mpiasa efa lasa mpiasam-panjakana hiasa any amin’ny ministera. Tsy hitsahatra ny fitokonana, raha tsy mivaly ny fitakiana. Mikendry hanimba ny orinasa ny fanapahan-kevitra hizara ny orinasa ho 3 satria lalana mankany amin’ny fanaovana azy ho tsy miankina na “privatisation” izany hoy izy ireo. Ho aiza ny mpiara-miasa sasany? Izany anatin’ny didy jadona ataon’ny minisitra. Haverina any amin’ny ministera, hono, ny mpiasan’ny paositra nefa ny karaman’ny mpiasan’ny ministera aza tsy voaloany koa hoe manana “poste budgetaire” 1500 izy ho an’ny mpiasan’ny paositra? Lainga marivo tototra izany, hoy izy ireo. Henonay ary fantatray tsara fa rehefa voazara, hono, ny paositra dia ho amidy amin’ny mpandraharaha tsy miankina. Mankarary anay izany satria orinasa nimatimatesanay nandritry ny 25 taona no mihoatra. Isan’ny didy jadona izay hoe tsy maintsy atao io satria izaho no mandidy fa tsy ianareo. Ny fangatahanay dia ny fialan’ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary haitao ara-kajy mirindra, Andriamanohisoa Ramaherijaona, hoy hatrany ireto sendikan’ny mpiasan’ny MPTDN ireto.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap