airtel

Actualités

31-août-2022

Actualités

PARAMED tsy miankina sy an’ny fanjakana Efa ezahana ny hampitoviana lenta azy

Sample post image

Amin’ny ankapobeny dia saika ireo mpianatra havoakan’ny sekoly ambony miankina amin’ny fanjakana hatrany no voaray ho mpiasam-panjakana rehefa misy ny fandraisana mpiasa eto amintsika.

31-août-2022

Taraiky hatrany amin’ny ankapobeny ireo mpianatra havoakan’ny sekoly ambony tsy miankina na dia efa lany andro mandritra ny 3 taonabe izao aza mikatsaka ny ny diplaoma licence, indrindra fa ho an’ireo nianatra ho infirmiera sy mpampivelona. Na izany aza dia efa tsapan’ireo sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana fa efa tena manao ezaka ny fanjakana hampitoviana lenta ny fampianarana omen’ny roa tonta. Ho an’ny sekoly ambony ISFPS Leader izay mandray anjara etsy amin’ny Salon de la rentree universitaire karakarain’ny Novi information ohatra dia fantatra fa ampy tsara ho an’ireo mpianatra mivoaka ao aminy ny fahalalana azony. Mahita asa tsara foana ihany koa ny mpianatra raha araka ny fanazavan’Atoa Tsimiondrike Mahasoa, filoha tale jeneralin’ity sekoly ambony iray ity izay tsy mihoatra ny 80 isa isan-taona isaky ny sekoly ambony tsy miankina iray. Ny fanjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka mihitsy no nametraka io fetr’isa io raha araka ny fanazavany mba hahita asa avy hatrany ny mpianatra miofana ho mpampivelona na infirmiera. Ankoatra ny lalam-piofanana paramed moa dia fantatra fa mampianatra momba ny tourisme, ny transit et douane…. ihany koa ity sekoly ambony tsy miankina iray ity.
Pati  

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap