airtel

Actualités

20-janv-2026

Pasitera Rameloarison Soloarison Michelin

Tsy hita nanomboka ny 26 desambra 2025

Sample post image

Raha ny fampitàm-baovao voaray avy

20-janv-2026

amin’ny zanany omaly dia mbola tsy hita nanomboka ny 26 desambra teo hatramin’izao ny Mpitandrina eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM, ny Pasitera Rameloarison Soloarison Michelin. 68 taona izy. Tsy nahenoana vaovao nanomboka ny 26 desambra 2025, fotoana nahitàna azy farany niditra tanaty taksibe 137 hiazo an’Analakely teo amin’ny fiantsonan’ny BNI Andoharanofotsy. Miangavy izay manam-baovao, na dia kely aza, momba ity rain’izy ireo ity, noho izany, ireo zanany mba hampita izany amin’ny fianakaviana. Ny laharan-tariby 0348346606, 0348310897, 0341374842, 0340464222; ireo rehetra ireo dia samy azo antsoina avokoa ho an’izay manam-baovao. Antso manokana ihany koa no ataon’ny fianakaviana ho an’ny mpamily 137 sy ny mpandeha amin’io zotra io; raha misy mahalala azy tamin’io andro io, miangavy hifandray, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap