airtel

Actualités

30-mars-2021

Actualités

Pastera Mailhol sy ny GFFM Miombon’alahelo amin’ny fianakavian’ny filoha Ratsiraka

Sample post image

Miara-miombon’alahelo amin’ny fianakavian’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ny Pastera Mailhol

30-mars-2021

 

 

 sy ny antoko politika Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara izay tarihiny taorian’ny nahalasanan’itsy voalohany. Anisan’ny olona nahavitabe teto amin’ny firenena mantsy ity filoha teo aloha ity raha araka ny fanazavany ka mendrika sy rariny loatra raha hiombom-po hanome voninahitra farany azy ny Malagasy. Tena nety tamin’ny pastera Mailhol ihany koa ny nandevenana ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka teny amin’ny fasan’ny mahery fo eny Mausolée sy ny nanaovana ho andro fisaonam-pirenena ny andro omaly. Vao namoy ny ainy mihitsy mantsy ity farany dia efa nanolo-kevitra ny amin’izany izy noho ity filoha teo aloha ity izay voasokajy ho ao anatin’ny olo-mangam-pirenena. Notsiahiviny hatrany moa fa tamin’ny volana novambra taona 2019 no efa nahazoany ireny faminaniana mikasika ny fisian’ny fahafatesana olo-malaza maneran-tany ireny ka anisan’ireny Ta teense sy ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka. Mikasika ny valan’aretina Covid 19 manokana dia nanolo-kevitra ny amin’ny tokony hanaovan’ny fanjakana fihibohana tanteraka ny tenany ary horaisin’ny fanjakana an-tanana kosa ny famatsiana sakafo isan-tokantrano.

Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap