airtel

Actualités

07-janv-2021

Actualités

Patrick Raharimanana “Rehefa mpangalatra akoho dia malaky aseho”

Sample post image

Rehefa mpangalatra akoho dia malaky aseho ny sary, na takonana aza ny masony, fa rehefa

07-janv-2021

 

mpanondrana volamena, mpanondrana sokatra, mpividy taolam-paty, mpampanofa basy kalaky, dia lasa tsy fantatra tampoka teo na ny anarany aza, nefa dia olona miondrana amin'ny fiaramanidina be izao, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Patrick Raharimanana. Hay moa efa nisokatra ny sisintany mandeha any Afrika atsimo? Dia lazaina fa tambazotra enjana be ilay ao ambadika, ka maninona no tsy gadraina daholo ny nanome alalana izany fiaramanidina hivoaka eto an-toerana izany, ireo ao amin’ny fadin-tseranana sy zandary ary polisy misahana ny sisintany? Miandry anarana izahay. Efa eto ihany, mba tenenonareo ao amin'ny prezidansy ireny olona milaza fa avy amin'ny prezidansy dia tsy savaina eny Ivato ireny! Toa misy mpitandro filaminana manaraka manao “escorte” na tan-tsoroka akaiky mihitsy aza milanja sakaosy mavesatra mandeha fiaramanidina manokana, mety mpisoloky izy ireny fa mailo ianareo ao, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap