airtel

Actualités

10-mai-2024

Pr Jonah Ratsimbazafy

« Tsy rariny izao zavatra manjo ny firenena izao »

Sample post image

Tsy voaozona ny firenentsika, tsy voaozina ny Malagasy fa tena tsy rariny izao zavatra mahazo antsika izao, ary tena tsy rariny.

10-mai-2024

Hafatra ho an’ny mpitondra ary am-pitiavana hoe : aoka rehefa tsapa fa ao anaty lavaka ny firenena dia aoka tsy hotohizana ny fangadiana lavaka, fa atsaharo fa milentika tsy misy tafavoaka ato. Isan’andro tsy latsaka ny olona mitaraina fa tsy manan-kohanina, marary tsy manam-bola. Izany ve no ilazantsika fa mandroso i Madagasikara, izany ve no tadiavintsika mbola hitohy », hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy omaly raha nivahiny tao amin’ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8FM. Marary sy mangirifiry ilay izy ka mila antsika miaraka. Misy olona mitazona ny toekarena eto izao fa tsy Malagasy. Tsy vahaolana ny fahanginana fa tohano sy arovy ireo sahy mijoro, hoy izy. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra isika izao. Ambany ilay fanabeazana, ambany ny fari-pahaizan’ny Malagasy ka araraotina, raha ny nambarany. Mizara menaka mahagaga kely hoe : ity ny savony kely dia hifidy an’iny fa avy eo hijaly. Raha tena maniry fiadanana ho an’ny taranaka, ny zanakao tsy miasa,… dia mila miova, fa raha mety aminao ilay hatramin’’izay dia fidio ihany ilay efa nanao izany, hoy hatrany izy niantso ny olom-pirenena ho tonga saina. Mbola nampiany aza hoe : Sao dia efa an-tsoratra sisa ilay hoe : Tanindrazana ? Iza no mifehy ny PPN, Solika,…Ny mpitandro ny filaminana manao ho an’ny tanindrazana ve tena miaro ny Malagasy sa miaro ireo olom-bitsy ? hoy hatrany izy. Sarotra ny fandidiana ary sarotra ny zava-misy. Na izany aza, notsipihiny fa tsy afaka ny hiraviravy tànana isika, ary fadiana ny mamoy fo sy hanary fanantenana. « Mbola azo avotana i Madagasikara fa teknika kely fotsiny. Mbola miandry mpitarika tena mahomby na «un vrai leader efficace», hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy. Mila mpitarika tena mahay sy mahomby ka vao miteny hoe : hanao an’izao isika dia manaraka sy resy lahatra ny olona, fa tsy tahaka an’ireo mikikiakika sy manjono vahoaka na koa toy ireo manery ny mpampianatra hanohana azy, raha ny nambaran’ity manam-pahaizana ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap