airtel

Actualités

13-juin-2022

Actualités

Pr Mamiharijaona Ramaroson “Lainga ny resaky ny Minisitry ny angovo momba ahy”

Sample post image

Nandiso ny zavatra nolazain’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson tao amin’ny fahitalavitra iray ny 11 jona teo mikasika azy ny Professeur Titulaire ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana Mamiharijaona Ramaroson

13-juin-2022

omaly tao amin’ny tambajotran-tserasera. Ity farany izay nahavita namorona vatoaratra na “batterie” mandeha amin’ny ranomasina, mamokatra jiro. Ny zavatra rehetra natao tamin’io dia fikarohana natao tamin’ny laboratoara ary ny tenanay ihany no niantoka ny zava-drehetra nanaovana izany fikarohana izany, hoy izy. Nisy anefa ny filazan’ny minisitra hoe efa niresaka tamin’io olona io izahay, ka tsara ny mampahafantatra aminareo fa tsy mbola nisy firesahana na indray mandeha aza nataon’io minisitra io tamiko, hoy ity mpampianatra mpikaroka ity. Nilaza izy hoe nandalo taty ka mandositra azy aho. Niverina fanindroany izy tamin’ny nanaovan’ny TGV fety tany Ramena izy…. Nisy ny fampivoriana mpampianatra mpikaroka, saingy tsy tany ity profesora ity noho ny tsy fahalalany hoe: inona? Aiza? Ny ampitso vao nilazan’ireo avy amin’ny oniversite niatrika izany fa ny tenany no tena notadiavin’ilay minisitra mikasika zavatra nataony. Izaho tsy nahalala an’izany, fa raha mitady ahy izy maninona raha nantsoina? Tsy mbola nisy mihitsy ny fihaonako tamin’ireo olona ireo, ary ny filazana hoe: manala baraka, ny zavatra fantatro, efa nanomboka tamin’ny andron’ny Praiminisitra Omer Beriziky no nanomboka nahitako an’io tamin’ny Laboratoara, ary ny minisitry ny angovo Nestor Razafindroriaka izay lasa Tale Jeneralin’ny Jirama nahita an’io tao amin’ny laboratoara, fa tsy nisy na dia kely fiantraikany tamin-dry zareo izany. Ny filazana hoe: nandositra azy aho, dia azafady Atoa Minisitra fa inona moa no andosiraka anao, tsy liona ianao ka atahorako, fa ianareo mihitsy no milaza vandy fa efa nihaona tamiko in’efatra, ka mbola tsy niresaka taminao aho na indray mandeha aza. Izay no itenenako amin’ny olona hoe: izao ny zava-misy. Efa nahazoako “brevet international” io zavatra io, ary noho izany no anaovako fandisoana hoe: tsy marina ny zavatra nolazain’ny Minisitry Andry Ramaroson, hoy i Pr Mamiharijaona Ramaroson.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap