airtel

Actualités

29-janv-2021

Actualités

Pr René Rasolofo “Mamoafady ny zava-misy ao Antsiranana”

Sample post image

Nampita hafatra tamin’ny antso an-telefaonina avy any Antsiranana amin’ny

29-janv-2021

 

 

 


maha solontenan’ny ray aman-drenin’ireo zanak’avaratra azy omaly ny Pr René Rasolofo, mpanao politika sy mpitarika ny hetsika Harenantsika ireo nosy ireo, fa tokony avoaka faran’izay haingana ireo mpianatra am-polony mahery voalaza ho nosamborina tany an-toerana ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Hatramin’izao (TTF: Hatramin’ny omaly) dia mbola tsy nisy nivoaka ireo mpianatra ireo, hoy izy. Takiana tsy misy hatak’andro ny fialan’ireo miaramila ao amin’ny “Campus Universitaire” ao Antsiranana satria tsy “camp militaire” io. Takiana ny famahana ny olan’ireo mpampianatra amin’ny oniversite. Isany ny karaman’ireo mpampianatra hatramin’ny 2017 ka hatramin’izao, indrindra, ny an’ireo an-tselika na “vacataire”. Tsy zarizary ny tontolom-piainan’ny mpianatra. Potika ny oniversite. Fanaovana tsinontsinona ny fiainan’ny mpianatra sy ny fampianarana amin’ny ankapobeny izao zava-misy izao. Tsaroako tsara ny tenin’ny SEG mikasika ny tranga tany Imerintsiatosika hoe tsy azo atao mihitsy izany manafika toby na kazerina izany. Amin’izao fotoana izao izany dia ny miaramila indray no manafika “Campus universitaire”. Tsy ny mpianatra no manafika “Camp militaire” fa ny miaramila no manafika “Campus universitaire”. Mamoafady izany, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap