Rafanomezantsoa Georges. Iaraha-mahita, hoy izy, fa maro no mangataka an’izany na ny eto an-toerana ary na ny sehatra iraisampirenena koa aza angamba inoako fa mangataka izany. Miankina amin’ny filoham-pirenena manokana ny fotoana sy olona hampidirina anatin’izay. Izy no mahalala ny mety sy tsy mety mikasika an’izay. Manana ny vina napetrany izy ka tokony hanatanteraka an’izay ny minisitra apetrany eo mba hananan’ny vahoaka Malagasy fitokisana aminy. Mikasika ny ady any Okrainina sy Rosia aloha amiko dia tsy hisy hanana tombontsoa amin’izany na iza na iza. Tsy dia ilaina noho izany ny hanomezan’I Madagasikara ny heviny hoe homba ny andaniny na ankilany. Ny fianakaviambe iraisampirenena no mibaiko an’io ary mino aho fa tsy ho lasa lavitra loatra ilay ady. Ny raharaham-pirenena no tokon’ny hifantohan’ny firenena tsirairay avy satria samy ho potika ny toekaren’ny rehetra raha miditra amin’izany, hoy hatrany ny tenany, ary tsy hiditra amin’izany ady lehibe fahatelo izany ny firenena mikambana satria efa hita ny voka-dratsin’ny ady lehibe voalohany sy faharoa.
J. Mirija
Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny
Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)
Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra
Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.
Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,
Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra