Minisitry raharaham-bahiny roa tonta
Nifampiresaka tao Paris ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy Eoropa ao amin’ny Repoblika Frantsay, Jean-Noël Barrot, sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ao amin’ny Governemanta Refondation an’i Madagasikara, Christine Razanamahasoa, araka ny tatitra ofisialy omaly 20 janoary 2026. Nohamafisin’ny roa tonta ny firaiketam-po sy ny fifandraisana am-pirahalahiana eo amin’i Frantsa sy Madagasikara, fifandraisana efa voaorina hatramin’ny tantara ary mitodika amin’ny ho avy, hoy ny fampitam-baovao. Nankasitrahany ihany koa ny firaisan’ny vahoaka roa tonta, izay hita amin’ny fisian’ny Malagasy an’arivony maro monina any Frantsa sy Frantsay an’arivony maro monina eto Madagasikara. Notsindriany fa amin’izao tontolo iraisam-pirenena miatrika olana izao dia ilaina ny mitahiry sy manamafy izany fifandraisana izany. Manaraka ny antso an-tariby nifanaovan’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoha Malagasy Michaël Randrianirina tamin’ny 29 Novambra 2025, dia nifanaraka ny minisitra roa tonta hanomana ny fandraisana fifanarahana vaovao mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny « Refondation » na fanavaozana eto Madagasikara, raha ny tatitra hatrany.
FANOHANANA NY TANORA SY NY TETIKASA SOSIALY
Nohamafisin’i Frantsa ny fandraisany andraikitra hanampy an’i Madagasikara amin’ny filàna maika, indrindra ho an’ny tanora izay maniry fiainana tsara kokoa sy mendrika. Tetikasa maro no nambara fa efa natomboka hatramin’ny Desambra 2025, toy ny eo amin’ny fahasalamana, fiarovana ara-tsakafo, fanajariana tanàna ary angovo. Efa mandeha ny PAJMA II, tetikasa fanohanana ny fitsarana eto Madagasikara, tarihin’ny AFD. Nampiasain’ny ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay ihany koa ny Croix-Rouge française ho fanampiana amin’ny ady amin’ny fihanaky ny aretina mpox eto amin’ny Nosy. Ho an’ny taona 2026, nandinika tetikasa vaovao ny minisitra roa tonta, indrindra eo amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-miasa amin’ny oniversite, fanatsarana ny fepetra iainan’ny mpianatra, ary fananganana sehatra nomerika avo lenta. Kendrena ny hanombohana haingana ireo tetikasa ireo mba hahazoan’ny vahoaka tombontsoa mivantana.
FANOHANANA NY FANAVAOAZANA SY NY FANARENANA NY FITOKISAN’NY VAHOAKA
Nankasitrahan’i Frantsa ny dingana voalohany amin’ny « Refondation » sy ny finiavan’ny governemanta hanarenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny rafitra, hanomezana ny fanjakana ho mpanompo ny tombontsoa iombonana, ary hamaly ny hetahetan’ny fiarahamonina malagasy. Nohamafisiny ny fanohanana tanteraka amin’ny fanatanterahana fifidianana malalaka sy mangarahara araka ny fandaharam-potoana voatondro. Niresaka ihany koa ny minisitra momba ny angovo sy ny fanomezana rano fisotro madio. Farany, nifanaraka ny minisitra roa tonta fa hanomana fitsidihana ambony ho avy eto Madagasikara sy any Frantsa, ho dingana manan-danja amin’ny famaritana ny fifanarahana vaovao eo amin’ny firenena roa tonta. Na izany aza, mbola mitoetra foana ny ahiahy amin’ny fitsabahana politika sy toekarena na « ingérence » ataon’i Lafrantsa eto Madagasikara, raha tsy hilaza afatsy ny tamin’ny toe-draharaha nangotraka ara-politika farany teo hoe : ny fiaramanidin’ny tafika Frantsay no naka sy nanampy tamin’ny fitsoahan’i Andry Rajoelina ? Ahoana ny momba ireo mpanao politika nanao ny tsy nety teto izay misy mialokaloka any Frantsa toy ny governoran’Analamanga teo aloha ? Re fa efa any ihany koa ny Minisitry ny fanajariana ny tany teo aloha Naina Andriantsitohaina ?
Toky R
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona