airtel

Actualités

07-août-2025

Raharaha fisolokiana

Niakatra fampanoavana ny praiminisitra teo aloha sy ny vadiny

Sample post image

Niakatra fampanoavana omaly tetsy amin'ny Tribonaly Anosy ny Praiministra teo aloha, Mahafaly Olivier Solonandrasana,

07-août-2025

sy ny vadiny, raha ny fampitàm-baovao voaray. Noho ny raharaha fisolokiana tany izay nitorian'ny tompon-tany azy no voalaza fa anton’izany. Efa vita ny talata 5 aogositra teo, ny anjaran'ny mpitandro filaminana mpanao fanadihadiana. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha avy eo. Andrasana ny valin'ny fakàna am-bavany azy ireo, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany. Tsiahivina fa praiminisitra tao anatin’ny fitondràna Hery Rajaonarimampianina ny taona 2016 hatramin’ny 2018 moa ity mpanao politika ity. Isan’ny voatonontonona tamin’ny raharaha fanodinana entam-barom-panjakàna ihany koa izy tamin’izany fotoana izany ary isan’ny nahenoana ny anarany ihany koa ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Isan’ireo kandidà ho filohampirenena ihany koa ny tenany ny taona 2018, raha tsiahivina ihany.
Nangonin’i J. Mirija 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap