airtel

Actualités

09-juil-2021

Actualités

Raharaha jeneraly Ravalomanana Misy mpitsara niharan’ny tsindry bokotra ?

Sample post image

Nitondra fanazavana mikasika ny raharaha Jeneraly Richard Ravalomanana omaly ireo mpisolovava miaro ny olona miisa 3 voarohirohy ao anatin’izany izay nosoloin’ny Maitre Willy Razafinjatovo na Olala sy ny Maitre Maka.

09-juil-2021

 Ny mampalahelo dia marina fa ananan’ny mpanao fanadihadiana zo, hoy izy ireo, ny mitazona ireo olona ireo mandritry ny 15 andro saingy mampametra-panontaniana hoe ahoana no fomba fiasan’ny fahefam-panjakana eto amin’ity firenena ity? Ahoana no ataon’ny fanjakana amin’ireo vahoakany satria mihevitra izahay amin’ity raharaha ity fa misy mihitsy hevitra sy heritreritra hoe foronina mba hahafahana mampiodina ny sain’ny vahoaka satria misy zavatra iray tiana afenina ve sa misy tiana asongadina ny sasantsasany amin’ireo olona voakasik’izany. Resaka fampitam-baovao na “renseignement” no nitondrana ny raharaha fa tsy porofo, hoy hatrany ny fanazavana. Nampiantso mpanao gazety ny zandary afak’omaly (TTF: Ny talata teo). Mbola tsy nisy “defferement”, izany hoe mbola tsy tonga any amin’ny fitsarana ny raharaha no nampiantso mpanao gazety ny zandary. Nitantara izy ireo fa saika hamono ny jeneraly Ravalomanana ireto olona ireto. Rehefa nojerena anefa ny dosie dia tsy hita ny porofo. Honohono, “renseignement”, misy olona manana basy nefa io basy io an’olona manana alalana hitondra fitaovam-piadiana na “permis de port d’armes”. Ny dikan’izany dia azony entina na aiza na aiza izay fitaovam-piadiana izay. Tsy mety amin’ny lalana izany fomba fanao izany satria mbola misy ny atao hoe tsiambaratelon’ny toromarika na “secret de l’instruction” tokony hajaina nefa ny zandary sy mpanao fanadihadiana dia naka tombony hanao izany. Tsy eken’izao tontolo izao ny fomba fanao toy izany fa isan’ny tsindry bokotra atao amin’ny mpitsara satria any izy ireo dia efa miresaka amin’ny mpanao gazety hoe tsy mety izao. Fa angaha izy sady mpanao fanadihadiana no mpitsara, hoy hatrany izy ireo ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap