airtel

Actualités

14-mai-2024

Raharaha Jirama

Mpitantana 48 niakatra PAC, orinasa 4 voasaringotra

Sample post image

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

14-mai-2024

Niverina niakatra teny amin’ny tendrom-pitsarana momba ny kolikoly na ny PAC (Pôle Anti-Corrumption) indray ireo Tale sy mpitantana teo aloha izay tafakatra 48 ny andron’ny omaly 13 mey 2024. Raha hiverenana dia efa nisy ireo olona miisa 3 naiditra am-ponja vonjimaika ny novambra 2022. Raharaha teo alenalanelan’ny 2018-2022 no nahasaringotra azy ireo, ka anisan’izany ny fahavakisan’ilay raharaha fizarana tombotsoa ara-bola tamin’ny alalan’ny « prime » na tambin-karama mihoampampana manodidina ny 1miliara Ar, kolikoly, hosoka,… Tafiditra amin’ireo enjehina amin’io raharaha io ireo Tale Jeneraly teo aloha 2 lahy, dia Atoa Vonjy Andriamanga izay voalaza moa fa tsy eto Madagasikara hatry ny ela fa miasa any ivelany, ary tahaka izany ihany koa ny Atoa Rivo Radanielina, izay voalaza fa nitsoaka an’i Madagasikara ny faramparan’ny taona 2022. Fahatelo namoahana didy fampisamborana kosa Rtoa Onja Rasamimanana, Tale kabinetra teo aloha teo anivon’ny Jirama, saingy tsy mbola hita matoa tsy nisy tohiny. Raha ny voarakitra ao anatin’ilay taratasy mikasika ny fitsinjaran’ilay tombotsoa mihoampampana na « prime », dia nahazo 144 tapitrisa Ar mahery ny Tale Jeneraly teo aloha Vonjy Andriamanga tao anatin’io, ary 112 tapitrisa Ar mahery kosa ny an’Atoa Rivo Radanielina izay Tale Jeneraly lefitra tamin’ny fotoan’andro, ary lasa Tale jeneraly taty aoriana. Misy orinasa lehibe 4 tantanina vahiny ihany koa tafiditra amin’io raharaham-pitsarana io, raha ny vaovao nivoaka omaly. Ampahany tamin’ny raharaham-pitantanana hafahafa tao amin’ny Jirama ireny, fa betsaka ireo tranga naneho fitantanana tsy mazava, halatra, kolikoly, fanodinkodinam-bola,… raha tsy hilaza afatsy ny fikojakojana zaridaina nandaniana 1 miliara Ar, ilay raharaha solika 64 000 Litatra nanjavona,… Hatramina minisitra iray izay efa niala aza moa voatontontona ho nidongy hividianana fiara tamin’ny volan’ny Jirama. Andrasana ny vokatra entin’ny Tale Jeneraly vaovao Ron Weiss izay betsaka ny fanarenana andrasana aminy na ara-pitantanana na ara-pamokarana, fa indrindra ny ara-bola.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap