airtel

Actualités

18-mars-2022

Actualités

Raharaha miaraka.com Hiakatra fitsarana anio ny andiany voalohany

Sample post image

Hanomboka amin’ity herinandro ity, dia anio zoma 18 martsa, no hiakatra fitsarana ny raharaha miaraka.com, hoy ny mpitondra tenin’ireo lasibatr’ity vovonana mpanohana tetikasa ity, Harivola Raharinosy.

18-mars-2022

 Hatreto izahay dia mbola tsy nahazo vaovao mikasika ny miaraka.com, hoy izy. Samy miandry ny eny amin’ny tribonaly izany na izahay na izy. Andiany voalohany io hanomboka hiakatra fitsarana io. Efa misy andiana fitoriana miisa 3 izao. Amin’ity herinandro ity no farany handraisanay ireo dosien’ny andiany fahatelo. Efa tafakatra 300 isa mahery hatreto ireo tafavondrona hanao io fangatahana famerenam-bola io. Raha tsiahivina fohy moa dia nanomboka ny volana janoary teo no nananan’ny miaraka.com olana tamin’ny mpandraharahany na “investisseur”. Nandefa fampahafantarana izy hoe hanao fitsirihana anatiny ka dia haato aloha ny asa rehetra. Vokatr’izay “audit” izay dia nilaza ry zareo fa tra-pahasahiranana ka voatery hangataka famelana tsy hamerim-bola amin’ny tribonaly na ilay antsoina hoe PCAP. Nanidy trano avy eo dia tsy azo antso intsony. Tapa-kevitra hitory izahay noho izany satria ny ahy manokana izao tetikasa tokony nampidi-bola be na ho an’ny firenena na ho an’ny tenako manokana sy izay rehetra mety ho voakasika tanatin’ilay orinasa nefa dia izay no zava-nitranga, hoy hatrany ny tenany. Araka ny fanampim-panazavana moa dia efa nahazo fandrarana tsy hivoaka ny tanin’I Madagasikara na IST ireo tompon’ny miaraka.com. Efa maherin’ny 1 miliara ariary kosa no vola very tanaty vovonana, raha ho an’ity mpitondra teny ity manokana raha toa ka maherin’ny 10 miliara ariary no an’ireo lasibatra maherin’ny 2000 isa.
J. Mirija

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap