airtel

Actualités

19-mars-2021

Actualités

Raharaha nahafatesana mpanamory angidimby Mbola tsy fantatra hatreto ny datim-pitsarana

Sample post image

Niditra tamin’ny fanadihadiana lalina mikasika ny raharaha nahafatesan’ny mpianatra ho mpanamory angidimby,

19-mars-2021

 

 

 Maherimanana Andrianina Rakotoson, teo anivon’ny ACMIL Antsirabe ny taona 2019 omaly ny teo anivon’ny fitsarana etsy Anosy. Araka ny fanazavana dia tsy maintsy any Antsirabe no tanterahana ny fitsarana ny raharaha. Nampatsiahivin’ny fofombadiny fahavelony, Fenoharisoa Ravelonandrianina, fa salama tsara ity mpianatra ho mpanamory ity niala tao an-tranony hamonjy an’Antsirabe kanefa nony naverin’ny toeram-piofanana ho tsaboina eto Antananarivo dia efa am-bavahaonan’ny fahafatesana ary nolazaina fa misy aretin’ny voa. Nahitana mangana sy dian-kiraro koa ny tarehiny ary izy iny nindaosin’ny fahafatesana iny. Izay no mahatonga anay miahiahy sy nametraka fitoriana ary tsy hanaiky hatramin’ny farany, raha tsy mivoaka ny marina. Matoky ny fahendren’ny fitsarana izahay ary manantena ny hivoahan’ny marina manoloana ity raharaha ity rehefa mivoaka ny didim-pitsarana aorian’io fitsarana ho avy io, hoy hatrany ny solotenan’ny fianakaviana. Manentana ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ihany koa izy ireo mba hijery akaiky ny fandraisana ireo mpianatra hiditra ao amin’ity akademia miaramila ity ary ny filoham-pirenena mba hanara-maso akaiky ny toe-draharaha satria fiarovam-pirenena sy fitiavan-tanindrazana no antony nodian’ity namoy aina ity an-tanindrazana saingy izao no nahazo azy.

 J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap