airtel

Actualités

02-août-2022

Actualités

Raharaha sambo Francia Aiza ny tohiny sa efa nalamina ?

Sample post image

Misahotakotaka ny ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluvial) ary ratsy toerana noho ny antony maro, toy ny raharaha kolikoly, fifanarahana tsy nifampierana,…

02-août-2022

ny Tale Jeneraly Capitaine de vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond. Takian’ny sendikan’ny mpiasa ny fialany. Eo ireo antony nolazain’izy ireo fa mba nankaiza tokoa ny raharaha Sambo Francia? Isan’ny raharaha mahakasika ny APMF mantsy ilay faharendrehan’ny sambo Francia ny 20 desambra 2021, izay namoizana ain’olona manodidina ny 80 isa. Valo volana aty aoriana isika izao ka nankaiza ny tohiny? Ilay Kapitenin’ny sambo ilay lasa nitsoaka hatramin'izao tsy hita sy tsy re ny tohiny. Ny mpiasan'ny APMF tafiditra nanao tandrevaka tamin'iny voalaza fa vao mainka nomena tombodandahiny hiasa aty Antananarivo nefa tany Sainte Marie no niasa taloha. Olona 13 no naiditra am-ponja vonjimaika tany Fenoarivo Atsinanana ny fiandohan’ny febroary 2022, ary toa tapitra hatreo. Nisy mpiasa 1 naiditra am-ponja vonjimaika tany Mananara, efa miriaria any, raha ny vaovao azo. Tokony hanokatra “enquête nautique” momba an'iny loza iny ny APMF. Hatramin’izao tsy te hita taratra izany, hoy ny fanamarihana. Be dia be anefa ny fandikan-dalàna na “infractions maritimes” tamin'iny loza iny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap