airtel

Actualités

11-juin-2025

Raharaha SMMC Toamasina

«Goragora ny fitondràna matoa ny mpampiasa sahy tsy manara-dalàna!»

Sample post image

Inoanay fa tsy hanoso-bohon-tanana anay ny sehatra iraisampirenena,

11-juin-2025

hoy ny FISEMARE na Firaisamben’ny sendikà malagasy revolisionera, manoloana ny olana misy eo amin’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Amin’ity volana ity moa ny fivorian’ny CIT na Komity iraisampirenena momba ny asa any Genève, Suisse, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael. Efa nalefa, hoy izy, ny hafatra avy aminay mikasika ny raharaha SMMC Toamasina. Inoana fa hamoaka ny heviny na ny fahitàny ity raharaha ity ny sehatra iraisampirenena. Tsy tokony hisy akory ny fitanana am-ponja vonjimaika ireo mpiasa ao amin’ny SMMC. Raha nandeha tany Toamasina ny sendika dia nisy olomboafidy hoe manana fifandraisana amin’ilay tale jeneralin’io orinasa ao Toamasina io. Ho tsaraina miankina amin’izany ve izany ity raharaha ity sa tsaraina arakaraky ny antotan-taratasy na porofo am-pelantananao? Raha tena mandray andraikitra ny tomponandraikitra heverina fa afaka mamaha ny olana dia tsy tokony ho nisy akory ny fitanana am-ponja vonjimaika. Na nisy aza dia tsy tokony ho tany intsony ireo olona ireo, hoy hatrany ny tenany. Tsy afaka hanome baiko ny fanjakàna malagasy ny sehatra iraisampirenena, hoy kosa ny filohan’ny FISEMARE, Francine Jocelyne Randrianarisoa nanampy fanazavàna. Manaitra no azony atao, hoy izy, nefa misy kosa fanaraha-maso ataon’ny OIT na rafitra iraisampirenena momba ny asa mikasika ny fanajàna na tsia ireo fifanarahana iraisampirenana. Tena takiana, noho izany, ny firaisankinan’ny mpiasa malagasy rehetra. Iray saina, iray tanjona dia ny hoe asa mendrika, karama mendrika. Mbola nofy izany izao. Mila asehontsika mpiasa hoe marary isika fa tsy iaretana ao ilay aretina! Ny tena olana eto Madagasikara dia ny fampiharana ny lalàna. Lasa tsy mijery tombontsoa iombonana eto amin’ity firenena ity intsony. Mazava be ny fampiharana ny fifanarahana faha 98. Io raharaha SMMC io izao dia tena fanitsakitsahana izany. Goragora ny fitondràna matoa ny mpampiasa sahy tsy manara-dalàna sy mampiditra mpiasa am-ponja! Olana eto Madagasikara ny tsy fampiharana ny lalàna, hoy hatrany ny filohan’ny FISEMARE.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap