airtel

Actualités

15-mars-2021

Actualités

Raharaha volamena 73,5 kg Nosamborina i Tahola, karohina i Ben Hassan

Sample post image

Mitohy hatrany ny fanangonam-baovao mikasika ny raharaha fanondranana antsokosoko ny volamena 73,5 kg,

15-mars-2021

 

 

 hoy ny Zandarimariam-pirenena. Voasambotry ny Sampana mpikaroka heloka bevava an’ny zandary, ary naiditra am-ponja vonjimaika any am-ponja eny Antanimora ihany koa i Rakotondramanana Nestor antsoina hoe Tahola izay mpanao varo-maizina sy takalo-vola tsy ara-dalàna (businessman informel en devises) tetsy Analakely, ny andron'ny 09 martsa 2021, hoy ny fampitam-baovao ny alahady teo. Izy io no voalaza fa niray tsikombakomba sy namatsy volabe (devises) an'i Ben Hassan Salimo izay anisan'ny voarohirohy sy karohina fatratra amin'ity raharaha ity. Ara-tetikady manokana dia tsy namoahana filazàna fikarohana (Avis de recherche) i Tahola ka izao sarona izao. Rehefa avy natolotra ny PAC (Pôle Anti-Corruption) dia nahiditra etsy Antanimora. I Ben kosa dia efa anisan'ireo olona 7 namoahana didy fampikarohana. Re ankehitriny fa nahazo valisoa ireo olona izay manome vaovao ahafahana misambotra ireo izay voarohirohy, hoy hatrany ny zandary. Mazava ho azy fa atao ho tsiambaratelo sy harovana fatratra ny mombamomba ireo loharanom-baovao. Na misy aza ireo voasambotra, mbola tsy nisy ny vaovao ofisialy milaza hoe iza amin’izy ireo no tena tompon’ilay volamena? Tsy dia misy akony ihany koa ny fampodiana ny volamena, izay toa maneho fa tsy mahomby ny diplaomasian’ny Fanjakana Malagasy.

 

Toky R



Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap