airtel

Actualités

19-déc-2022

Actualités

Raharaha volamena 73,5kg 9 nohelohina, tsy fantatra izay tena tompony

Sample post image

Olona miisa 9 nohelohina, ary 16 kosa nohafahana ! Io no didim-pitsarana navoakan’ny PAC (pôle anti-corruption) mikasika ilay raharaha fanondranana volamena 73,5kg tratra tany Afrika Atsimo ny 31 desambra 2020.

19-déc-2022

Fanondranana harena sarobidy antsokosoko, hosoka sy fampiasana hosoka, fanaparam-pahefana,… no vesatra nanenjehana ireo voapana. Sazy mihatra 10 taona an-tranomaizina arahina didy fampisamborana sy lamandy 52,325 miliara ariary ho an'ireo 3 lahy tratra tany Afrika atsimo. Izy ireo izay marihina fa mbola voatazona any amin’ity firenena ity miaraka amin’ny volamena hatramin’izao. Midika fa tsy nahomby ny fifanarahana ara-diplaomatika sy ara-pitsarana teo amin’I Madagasikara sy Afrika Atsimo hatreto satria nangataka ny hameranana ny volamena sy ireo telolahy ireo ny Fanjakana Malagasy, saingy tsy nisy tohiny hatramin’izao. Voalaza kosa fa tsy ampy ny porofo itazonana ireo voampanga teto an-toerana araka ny fanazavana nentin'ireo mpisolovava niaro ireo voampanga tamin'ny ankapobeny, ka tsy tokony ho voatazona amin'ity raharaha ity izy ireo. Voaheloka hndoa honitra 10 tapitrisa ariary ny Sekretera jeneralin'ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) teo aloha, sazy mihatra 2 taona ny 4, anisan'izany ireo mpanamory miisa roa, sazy mihatra 30 volana ny 1, giazan’ny fitsarana ny fiaramanidina nampiasaina sy ny volamena izay mbola tsy tafaverina, mahatratra 17, 442 miliara Ar kosa ny onitra omen any fadin-tseranana ka ireo voapanga no manefa izany. Isan’ireo noahafahana ny Tale jeneralin'ny ACM teo aloha. Hatreto tsy mbola nivoaka ary tsy fantatra izay tena tompon’ny volamena, fa ireo irakiraka nitondra azy aloha izany no manefa. Matetika olona ambony eto amin’ny firenena no tompon’ny entana, na teratany vahiny mpanefoefo. Porofo iray mivaingana sy tsy azo lavina ilay 36kg tsy hita sy narirarira fotsiny tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Iny nanaovan’ny Fitsarana momba ny kaonty tatitra vao ny herinandro lasa teo iny fa mahatratra 4,5 taonina ny elanelana teo amin’ny tatitra ofisialy momba ny fanondranana volamena ara-dalàna eto Madagasikara sy ny tena volamena tonga any amin’ireo firenena mpanafatra teo anelanelan’ny 2018-2021 ka ny 2021 no ambony indrindra satria nahatratra 2,5taonina ny elanelana. Mahatratra 780 miliara Ar ny vola very tamin’ny fanondranana volamena an-tsokosoko, 18 ny fanondranana tratra,… Izay tratra tany ivelany mbola tsisy misy tafaverina: 73,5kg any Afrika Atsimo, 48kg any Kaomoro, 25,5kg atsy Maorisy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap