Efa ela moa, hoy izy, iny raharaha iny ary misy mihevitra aza hoe maty an-jambany any iny. Maro be ny olona natao fanadihadiana tao anatin’iny, izany hoe, tena nanao ny asany an-tsakany sy an-davany ny mpitsara ary nanao fikarohana lalina momba azy ireny, eny, hatramin’ny kaontin’izy ireny amin’ny banky. Isan’izany koa ireo antso an-tariby nataon’izy ireny. Avy eo moa nisy ilay resaka 49kg iny. Rehefa nojeren’ny fitsarana ilay izy dia mety misy olona na zavatra iraisana tao anatin’ilay raharaha. Mety ho izay no antony nahatonga ny fitsarana nanambatra ilay dosie. Izay no nampitarazoka ilay raharaha 73kg satria nipoitra tampoka ilay raharaha 49kg. Marobe ireo olona voakasik’ilay dosie ka nifandimby nangataka fahafahana vonjimaika daholo. Efa vita teo amin’ny mpitsara mpanao famotorana lalina na “juge d’instruction” kosa nefa ankehitriny ny famotorana. Azo heverina ho efa afa-po, araka izany, ilay mpitsara mpanao famotorana nandray ny dosie ary efa nanapa-kevitra izy handefa ny dosie ho tsaraina. Dosiena heloka bevava moa io ka noho izany tsy mandeha isan’andro toy ny dosie hafa. Anjaran’ny fitsarana no mametraka ny tetiandro hoe ho alefa manokana ve ny fitsarana azy io sa ho ampiarahana amina dosie hafa, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tsy hita intsony izay marina sy diso mikasika ilay raharaha fahaverezan-tsolika 64 000 litatra teo anivon’ny Jirama. Andaniny,
Mandrava sy maka ny tanin’ny vahoaka madinika ao Nosy be Hell ville ny karana sy vahiny ary mpanam-bola,
Efa tany amin’ny 6 taona lasa no nametrahana io “coffre” io, tany amin’ny taona 2016 tany ho any no efa very ireo volamena 36,433 kg ary tsy fantatra mazava hoe:
Nahatrarana trafikana volamena indray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly 28 jona 2022 hariva. Teratany Sri lankais iray,