airtel

Actualités

12-janv-2021

Actualités

Raharaha volamena Delegasionina maventy lasa any Afrika atsimo

Sample post image

Niala teto Madagasikara omaly tamin’ny 9 ora maraina teo ho eo ny

12-janv-2021

 

 

fiaramanidina manokana mitondra delegasionina maventy, izay voalaza fa misy olona avy amin’ny fiadidian’ny Repoblika sy mpisolovava miisa 3, raha ny loharanom-baovao azo. Nihazo an’i Johannesburg, hifampiresaka amin’ny Afrikanina Tatsimo mba hamerenana ireo volamena 73,5kg sy ireo telolahy voasambotra tany an-toerana ny 31 desambra ireo delegasionina ireo. Nisy rahateo ny fanambarana tao anatin’ny tatitry ny governemanta ny 06 janoary, fa tsy maintsy haverina eto Madagasikara hapetraka ao amin’ny Banky Foibe ireo volamena. Nambara ihany koa ny 07 janoary fa ampodiana mialohan’ny anio 12 janoary ireo voarohirohy. Nanambara tetsy ankilany ny fadin-tseranana avy any Mali, fa tsy marina ny filazana va avy any aminy ilay volamena.

HO VOTSOTRA MORA FOANA VE ?

Anio 12 janoary no voatondro fa hiakatra fitsarana ao Afrika Atsimo ireo telolahy. Inona no mahasamihafa ny hoe: rehefa voatsara any vao manao fifanarahana iraisam-pirenena sy dingana ara-pitsarana indray ny Malagasy amin’ny mety hamindrana azy ireo aty ary manao fitsarana hafa? Zon’I Afrika Atsimo ny manaiky na mandà ny fifanarahana ara-pitsarana. Petra-kevitra no atao, ho antsika Malagasy dia trafikana harem-pirenena sy fandikana ny lalàna mifehy ny fivoahana ny sisin-tany no mety ho vesatra, fa ny azy ireo dia mety ho ivo sy lalan-jotra hafa no azo hitondrana ny raharaham-pitsarana ankoatra ny resaka trafika izay tsy eken’ny fireneny. Mety hibahan-toerana ao anatiny, ohatra, ny lafiny fiandrianam-pirenena “Souveraineté nationale” ho an’ny Afrikanina Tatsimo satria azo ambara ho notandindonin-doza ny fireneny. Nisy olon-dratsy tafiditra, mety ho azo oharina amin’ny hoe mpampihoroho (terroristes) na olona avy amina firenen-kafa mety hampidi-doza tafiditra ka tsy maintsy miaro ny taniny sy hitsara ireo olon-dratsy izy. Ho tafaverina ve ny volamena izay mety ho raisiny ho “pièce à conviction” na singa manamarina sy mampitombina ny fanenjehana. Efa nisy tahaka io tamin’ny 10 janoary 2019 nisiana fahatrarana 30kg tany Maorisy ary ny 07 oktobra 2020 teo no nilaza ny Fanjakana fa hampodiana aty izany, saingy tsisy tohiny sy akony re. Arakaraka ny fomba fifampiresahana fa ahiana ho lasa fifandirana ara-diplaomatika (incidence diplomatique) ity resaka ity raha tsy tafavoaka ny baolina.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap