airtel

Actualités

07-janv-2021

Actualités

Raharaha volamena tratra Ny minisitra aza samihafa no ambarany

Sample post image

Miala bala ny sampan-draharaham-panjakana sy tompon’andraikitra ambony voakasika momba ilay raharaha

07-janv-2021

 

fahatrarana volamena 73,5kg tatsy Afrika Atsimo, dia ny ladoany eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola sy ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Samy milaza ho tsy maharaka sy tsy nanome alalana ara-taratasy. Ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany (PAF) sy ny avy amin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) sisa no tsy niteny. Samy minisitra ao anatin’ny governemanta, saingy tsy mitovy ny voalazan’Atoa Fidiniavo Ravokatra naneho fa efa ny oktobra no tsy naato ny fanondranana volamena miala avy eto Madagasikara. Ny minisitera iadidian’Atoa Richard Randriamandranto nanambara fa ny volana aogositra no efa niato ny fahafaha-manondrana. Ny ao anaty governemanta aza mifandipatra sy tsy mitovy ny zavatra ambara amina toe-javatra iray goavana, izay endrika maneho fa tsy mandeha amin’ny laoniny sy tsy mirindra intsony ny fomba fiasan’ny mpitondra. Asa na hivoaka ihany ny marina na handeha ny fampandriana adrisa amin’ny endriny maro na koa ireo irakiraka ihany no halentika.

 Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap