airtel

Actualités

23-nov-2021

Actualités

Raharaham-pitsarana mampiahiahy Karana no ampiasainy haka ny orinasan’ny Malagasy ?

Sample post image

Teratany vahiny iray antsoina hoe H.S no voalaza fa tsy mety mahazo rariny amin’ny fitoriany ny teratany Malagasy iray ka mahoraka be fa manao izay faraheriny mampiasa ny fitsarana eto amintsika hamotehana fiainan’olona, hoy ny fitarainana.

23-nov-2021

 « Raha araka ny lalàna dia tsy misy raharaha azo iverenana tsaraina raha toa tsy misy tranga vaovao », hoy ny fanazavan’ny mpisolovava iray. Raha ny fisehon’ny raharaha dia voalaza fa nanangana orinasa iray teto Madagasikara ilay teratany Malagasy io. Rehefa hitan’ity teratany vahiny ity fa nandeha ilay orinasa dia nataony ny fomba rehetra nanilihana io teratany Malagasy io. «Toy izao ny fifanarahana nasehony, rehefa ny manam-pahaizana (développeur) Malagasy no miasa dia 10.000 ariary ny ora iray fa rehefa ny vahiny kosa dia avo dimy heny. Rehefa orinasa any ivelany no manao ny asa dia tsy misy resaka fa rehefa ny manam-pahaizana Malagasy dia sady an’ny orinasan’ilay vahiny ny « logiciel » nampiasaina, no mbola azy ireo ihany koa ny vokatra. Fanandevozana an-kolaka no dikan’izany », hoy ny fanazavan’ny olona iray akaiky ity raharaha ity. Teo no nanomboka ny disadisa rehetra ary nandeha teny amin’ny fitsarana. Efa in-telo nandeha teo anivon’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle Anti-Corruption) no iverenana tsaraina indray anio 23 novambra. Nandeha PAC ny desambra 2018 ary nilaza ny fitsarana ny volana janoary 2019 fa atsahatra ny fanenjehana ilay teratany Malagasy. Nitohy tany amin’ny fitsarana ara-barotra indray ny volana may 2019 dia nahafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana ity teratany Malagasy ity. Nitory tany Paris indray ity teratany vahiny ity rehefa tsy nahazo rariny teto Madagasikara mihitsy, saingy ny volana may dia namoaka didy ny fitsarana tao “Cours d’appel” tao Paris fa ilay mpitory no diso ka mandoa vola amin’ilay toriana, hoy ny tatitra. Niverina teto Madagasikara ny raharaha, niverina teny amin’ny PAC indray ny volana aogositra 2019 ka namoaka didy laharana faha 02-CPJ/J1/PAC/19 fa tsy misy antony tokony hanokafana ity raharaha ity akory. Namerina nitondra ity raharaha ity teo anivon’ny fitsarana ihany ity teratany vahiny ity, izay mampiasa malagasy mba hanimbana ny malagasy mpiray tanindrazana aminy, ka ny volana aogositra ihany dia namoaka ny requisition n°084/19-CR/PAC/TANA fa azo raisina ny fitoriana saingy tsy mitombina.


Raha ny fantatra, rehefa hitany fa tsy mety mahazo rariny mihitsy izy eny anivon’ny fitsarana dia nitady olona hafa ahafahany miara-miasa. « Orinasa lehibe iray izay tantanina teratany karana izay maniry ny hilatsaka ho filoham-pirenena amin’ny 2023 no niarahany niasa, ka ity teratany karana ity no miandraikitra ny raharaham-pitsarana rehetra ary rehefa mandresy dia omena io teratany karana io ny ampahany betsaka amin’ilay orinasan’ilay teratany Malagasy kasain’izy ireo alaina », hoy ny fanazavan’ny olona akaiky ity raharaha ity. Tadiavin’ny mpanam-bola lalaovina ny fitsarana eto amintsika ? Andrasana arak’izany izay ho tohin’ity raharaha ity eny anivon’ny PAC amin’ity anio ity.
(sary fanehoana)
Tevez
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap